Marolafy ny fanontanian’ireo loholona tamin’ny Praiminisitra nandritra ny fifanatrehana tamin’ny governemanta. Anisan’izany, ny fakana vola amin’ny tsenambaro-panjakana, ny fisian’ny governora sy tale mpisolo toerana etsy sy eroa, ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc… Valin-teny.
“Tsotra ny tsenambaro-panjakana: tsy misy zavatra tokony haloa, ankoatra izay voafaritry ny lalàna. Tsy misy zavatra tokony haloa amin’ny olona fa amin’ny fanjakana”. Io no anisan’ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fifanatrehan’ny Antenimierandoholona sy ny governemanta teny Anosy, omaly. Kolikoly sy fanararaotam-pahefana raha misy fakana vola. Tanjona lehiben’ny paikadim-pirenena ady amin’ny kolikoly, 2025-2030, ny ady amin’ny tsimatimanota. “Mampirisika antsika hitoroka sy hijoro ao anatin’ny fahitsiana”, hoy izy. Na iza na iza manao ny tsy mety amin’ny volam-panjakana: tsy rariny, tsy tokony hoekena.
Ny mahatonga ny governora sy ny tale ho mpisolo toerana eny anivon’ny faritra sy ny distrika: misy ny fitsabahan’ny tomponandraikitra maro, indrindra eo amin’ny politika. Hany ka sahirana ny minisitra amin’ny fandanjalanjana ny fahaiza-manao sy ny firehana. Ahoana no hanendrena olona tsy resy lahatra fa ny teti-pandrosoana entin’ny filohan’ny Repoblika no tokony hotanterahina? Nefa mora ny mandamina izany, fa tsara jerena izay fomba hifandraisana.
Mamiratra aty Afrika i Madagasikara noho ny haitariky ny filohan’ny Repoblika. Izay no tsy mahafaly ny mpanao politika sasany. Tombontsoa ambonin’ny firenena ny fandraisana fihaonana an-tampony COI, Sadc… Tombontsoa politika kely no entin’ny sasany hanembantsembanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Manameloka an’izany ny governemanta.
Misy ny sakana amin’ny fampandrosoana nolovaina taona maro: krizy miverimberina hatramin’izay, nanimba ny fototry ny fampandrosoana. Amin’izao, ampijoroana eo amin’ny lalan’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy ilain’ny firenena intsony krizy manapotika ny firenena.
R. Nd.