Lalao telo avy hatrany no miandry ny Makis de Madagascar eo amin’ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’olona 7, sokajy lehilahy. Hisantarana izany ny fifandonana amin’i Maurice, mpampiantrano..
Hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny sabotsy 21 sy alahady 22 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 7, “Africa Men’s sevens 2025”. Hiady lohany amin’izany ireo firenena 12 ka anisan’izany ny Makis de Madagascar, ao amin’ny vondrona “C”.
Raha ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Malagasy i Maurice, mpampiantrano. Tsy ekipa vaovao amin’ny Makis akory i Maurice fa efa imbetsaka nidona ny roa tonta, raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara, ny taona 2023. Hatreto, tsy mbola nandresy ny Makis ry zareo maorisianina. Aorian’izay, hifanandrina amin’i Tunisie ary hamarana izany i Zimbabwe. Firenena efa mifandona matetika amin’ ny Makis ihany koa ireo.
Hitohy ny alahady ny andro faharoa ka hidona amin’izay faharoa, ao amin’ny sokajy “A, misy an’i Ouganda, Kenya, Côte d’Ivoire ary i Ghana, izay voalohany ao amin’ity vondrona misy ny Makis de Madagascar ity. Hikatroka amin’izay faharoa ao amin’ny vondrona “B”, ahitana an’i Afrika Atsimo, Burkina Faso, Zambie, Nigeria ny Makis raha toa ka laharana faharoa.
Tsiahivina fa hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Circuits mondiaux 2025”, ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny alakamisy ho avy izao ny delegasiona malagasy, hiatrika ity fifaninanana ity.
Ankoatra izay, nifarana ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy, lalaovina olona 15 (Can 2025). Voahosotra ho tompondaka ny Springboks Afrika Atsimo. Laharana fahefatra kosa ny Makis Ladies.
Tompondaka