TARATRY ny KANTO

Handray ny “Fetin’ny Mozika” ihany koa ny eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ny sabotsy 21 jona izao. Tarika 25 be izao no hifandimby ma­nomboka amin’ny 10 ora maraina, hizara mozika maroloko ao. Misy amin’ireo no vao misandratra, misy koa ireo efa malaza sy matihanina. Hisy ny fandraisana anjara manokan’ny Bandy Baraka Big Band mandritra izany, mba tena hampiaina ny “Fetin’ny Mozika” toy ny fanao any ivelany.

“Sentimental & Sentimental”, rahampitso alarobia, amin’ny 4 ora. Anatin’ny hetsika karakarain’
ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka ihany
ity fihaonana amin’i Donné Vonjy, iray amin’ireo mpanakanton’ny “Sentimental” ity. Hanamarina ny to­non-taona faharoa izany, iarahana amin’i Christian
Sanna sy Mia Andriamora, mpanakanto nasaina manokana, sy i Joël Andrianome, mpandrindra ny fampirantiana.

Efa aty amin’ny taona 2025… Mbola ahitana lesoka eo amin’ny fikirakirana fanamafisampeo? Na tsara tahaka ny inona aza ny tolotra omen’ny mpanakanto. Raha ny fanamafisampeo no hitrangan’olana, handiso fanantenana ny mpijery. Mbola mila miofana ny mpikirakira fanamafisampeo, sa tsy maintsy miofana isan’andro ny mpikirakira fanamafisampeo? Ilay faharoa no mety ho marina, satria, mivoatra isan’andro ny teknolojia.

Partager sur: