Toamasina: Notriarin-dramatoa zava-maranitra ny vadiny

Norasain-dramatoa tamin’ny zava-maranitra « lame » ny vadiny tao Ankirihiry, parisela 11/58, kaominina Toamasina, ny 12 jona teo. Tsy nanana sigara ho fohana, nangataka tamin’ny ramatoa vadiny hitsoriaka hividy any an-tsenakely io lehilahy io. Nifanena tamin’ny namany anefa izy ka tafaraka nisotrosotro. Nilaza ho tsy manam-bola io lehilahy io saingy tsy nanaiky ny namany raha tsy nijanona teo amin’ny toeram-pisotroana izy ireo. Tezitra noho ny zava-nisy ilay ramatoa. Nandrasan’ity farany teo am-baravarana ilay rangahy vadiny ary natsipiny nivoaka ny efitrano ny akanjony. Nahita io zava-nisy io, tsy nifamaly fa niverina tamin’ny toeram-pisotroana niaraka tamin’ny namany ilay rangahy. Narahin-dramatoa avy aoriana. Nitondra zava-maranitra izy, Noratrainy tamin’ny “lame” teny aminy ilay rangahy. Tataka ny faritry ny vatan-drahalehilahy.

Sajo

Partager sur: