Nanisana : Kilan’ny afo ny lakozia an’ilay trano lehibe

Voafehin’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina ara-potoana ny haintrano niseho teny Nanisana, Bori­bo­­rintany fahadimy, omaly atoan­dro. Naharay fampahafantarana ny lehiben’io sampana io, tamin’ny 11 ora sy 43 minitra, ka nahetsika avy ha­trany ny mpamonjy voina ao Andravoahangy. Minitra vitsy taorian’io, nigadona teny amin’ny toerana nisian’ny fi­rehetana izy ireo. “Ny rihana fahatelo tao amin’ny trano R+3 no niharan’ny fahamaizana. Ny lakozia sy ny toeram-pidiovana no hotohoton’ ny afo”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina Antananarivo Renivohitra, ny kaomandà Eric Olivier Ralaivaonoro. Voafehy ny afo ka tsy niparitaka tamin’ny efitra fandraisam-bahiny sy efitra hafa in­tsony. Nahetsika rahateo ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalàna ka voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 12 ora sy sasany. Notsia­hivin’ny tomponandraikitry ny sampana mpamonjy voina fa manao izay ho afany hamonjena ny mpiara-belona izy ireo. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana koa ny mpitandro filaminana izay misahana ny fanadihadiana momba ny fototry ny firehetana. Tsy nisy aina nafoy tamin’ity tranga ity.

Tsiferana R.

Partager sur: