TARATRY ny KANTO

Miantso ireo manan-talenta ao Antsirabe ny « Fest’Iray », na ny « Festival de l’écologie ». Hisy ny « casting » hitiliana ireo mpanakanto handray anjara, izay hotontosaina ny 21 sy 22 jona izao, ao amin’ny Alliance Française Antsirabe. Misokatra ho an’ireo mpanao mozika, vakodrazana, sary hosodoko, dihy, sns, izany.
Nivoaka ny datin’ny « Manal’Azy vita bacc ». Ny zoma 24 jolay izao no hotanterahina izany, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Fantatra ihany koa fa hiverina ao Antsahamanitra ity seho manan-tantara fanaon’ny Olombelo Ricky isan-taona, ity. Mbola anatin’ny fitetezam-pirenena any ivelany ny tarika amin’izao fotoana izao.
Ho tazana anaty « cabaret » ry Rakoto Frah junior. Mety tsy mahazatra, kanefa efa fanaon’ny tarika ary be mpankafy hatrany izany. Hitondra ny vakodrazana mivoatra etsy amin’ny Chez Baba Isoraka izy ireo, ny zoma 20 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina.
Handray anjara amin’ny hetsika « Sen­ti­mental » ihany koa i Mirado. Hisy ny takariva an-kira ivoizany ny « Iray ihany izao sy ianao », rahampitso zoma 20 jona, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Kanto marolafy no mifaningotra mandritra ity hetsika ity.

Partager sur: