Fanatanjahantena indianina “Yoga”: nandray anjara ireo mpitondra fanjakana

Notontosaina teny Alarobia, ny sabotsy lasa teo, ny hetsika ara-panatanjahantena indianina, «Yoga», izay nokarakarain’ny masiovoho indianina eto Madagasikara. Mpitondra fanjakana maro no tonga teny an-toerana namaly ny antso tamin’izany. Anisan’izany ny filohan’ny Antenimierando­holona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, sy ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, (MJS), Marson Moustapha Abdulah.
“Zava-dehibe ho an’ny rehetra ny fiatrehana ny hetsika tahaka izao, ary ny fanatanjahantena rahateo no mampiray ny olona maro,” hoy ny minisitra, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Marihina fa efa manomboka mampihatra ity Yoga ity avokoa ny ankamaroan’ireo firenena maneran-tany. Izy ity izay manatsara sy manala ny sorisory andavanandro ary manampy ny fikolokoloana ny saina sy ny vatana. Araka izany, tsy mifidy taranja ny minisitra Marson Moustapha, ary ataony laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara.

F.R

Partager sur: