Toliara : Fiaraha-mientan’ny Base sy ny mponina

Nasehon’ny mponina any amin’ny kaominina Belalanda, Maromiandra, Tsianisiha, Ankilimaliniky ary ny kaominina Toliara I, tamin’ny filaharambe ny fanohanany ny tetikasa Base Toliara, nandritra ny fetim-pirenena 26 jona teo. Nilaza i Tealongo Stella, miandraikitra ny lafiny fahasalamana, ny aro loza ary ny maha olona ao amin’ny Base, fa « sambany nandray anjara tamin’ny filaharambe toy izao, ny mpiasan’ny orinasa niaraka tamin’ny mponina isak’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa ». Nanamafy ny tomponandraikitry ny serasera, Ramanankamonjy Laurent, fa « fanehoan’ireo kaominina ny fanohanany ny tetikasa ity diabe ity ».
Ho an’ny ben’ny Tanàna Maromiandra, Kapaïky Felix, fa « efa ela ny fiaraha-miasanay sy ny Base ». Nomarihin-dRaherisoa, ben’ny Tanàna Belalanda, fa « tsy miandry honerana vola izahay ben’ny Tanàna. Fantatray ny tena ilainay, dia ny hanohizan’ny Base Toliara ny fiaraha-miasa hitondra fampandrosoana, toy ny fotodrafitrasa maharitra, ny fanatsarana ny kaominina ». Miray ny kaominina sy ny fokontany, fa tsy mihemotra intsony satria azo antoka ny fampandrosoana entin’ny tetikasa.

Njaka A.

Partager sur: