Ho fanamafisana ny resaka fandriampahalemana, nampivory ny OPJ misy rehetra ny Toninan’ny fitsarana ambaratonga voalohany.
Ankoatry ny mahazatra amin’ny asan’ny polisy, zandary, dia nampiantso ireo sampandraharaha rehetra ahitana OPJ (Officier de police judiciaire), ny sampandraharahan’ny ala, ny Fandintseranana, ny Indositria sy ny varotra, ny Fahasalamam-bahoaka, ny Tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny mpahay lalàna, Vahiny Yves Sandro. Natao tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izany, ny zoma maraina teo, ary notronin’ny mpitsara zokiolona sy ireo mpitsara maro anivon’ity Sampam-pitsarana ity.
Nambaran’ny Tonian’ny fampanoavana sady lehiben’ny mpanao famotorana sy fanadihadiana fa maro ny trangan-javatra mahakasika ny asan’izy ireo ka ilana fampahatsiahivana ny zava-misy hita tato ho ato. “Tsy misy afa-tsy ny Code de procédure pénale no baibolikelintsika mpanao famotorana sy mpanadihady. Izany rehetra izany nefa, tsy maintsy hampanarahana ny lalàna mifehy ny zon’olombelona eo amin’ny famotorana. Ary ny fihazonana am-balam-pamonjana sy ny fetran’izany mialoha ny hanolorana ny voarohirohy eny amin’ny fampanoavana” hoy hatrany ny mpanao lalàna, Vahiny Yves Sandro.
Nohamafisiny ny momba ny raharahana vono olona. Tokony hiaraka amin’ny kopiam-pahafatesana sy ny fitaovana nampiasaina tamin’ izany ny fitoriana, mba ho vavolombelona hita maso (pièce en conviction preuve) eo anatrehan’ny fotoam-pitsarana. Ny kopiam-pahaterahan’ny niharam-boina, hamatarana ny maha ankizy tsy ampy taona, ihany koa dia tokony hiaraka amin’ny taratasy fanamarinan’ny mpitsabo. Ny fanafihana mitam-piadiana, mazava ho azy, tokony hiakatra eo ambony latabatry ny mpitsara ireny fitaovana hita maso ireny ho vavolombelona.
Niverina indray
Nohamafisin’ny Tonian’ny fampanoavana hatrany fa somary niverina ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato, saingy tsy nahazoana tatitra tamin’ny polisy sy zandary izany. Anisan’ izany ilay teratany vahiny tao Tahitikely, notafihan-jiolahy miisa enina mirongo fiadiana. Notetehin’ izy ireo antsy ilay vazaha, notifirina teo amin’ny tanany, fa saingy tsy maty izy ka efa lasa notsaboina any ivelany. Nandray an-tanana maika ny raharaha rahateo ny masoivohon’izy ireo, ka nanamora ny fahazoana fiaramanidina manokana.
Tao anatin’ny herinandro monja, fanafihana mitam-piadiana tsy latsaky ny telo no nitranga ary misy tranon’olona ambony miasa any Antananarivo iray tao Andranomadio, voaroba lelavola 52 tapitrisa Ariary.
Notsiahivin’ ity lehiben’ny mpanao fanadihadiana sy famotorana ity fa hentitra ny hafatra napetraky ny mpikambana amin’ny governemanta, izay tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, ny volana marsa teo. Izao sahady dia efa ahina hahazo vahana indray ny asan-jiolahy.
Nampakatra amin’ny fandravana didy ny Tonia
Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nanehoan’ny Tonian’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny momba ireo zandary sy miaramila ary sivily, izay navotsotry ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka be vava. Ireto farany izay voarohirohy tamin’ny asan-jiolahy ny taona 2024. Ny andronivoahan’ny didy ihany dia efa nametraka fanohanana an’iny didy iny ny Tonian’ny fitsarana ambony, ary handefa taratasy any amin’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Toamasina, ny hanolorana an’ireo zandary hiverina am-ponja. Toy izany koa ilay miaramila sy sivily, ka hosamborina sy haverina am-ponja mandra-piandry ny hamerenana ny fotoam-pitsarana. Efa mahafantatra an’ izao rehetra izao ny minisitry ny Fitsarana, rah any fantatra.
Raha hiverenana, toy ireny nilatsaham-baratra ireny ny tomponandraikitra maro momban’ny fandriampahalemana ao Toamasina raha nahare an’ity didim-pitsarana namotsotra madiodio an’ ireo voampanga miisa fito ireto ity. Didim-pitsarana izay ahina hanamaloka indray ny fifandraisana eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny ady amin’ ny tsy fandriampahalemana.
Tsy voaresaka kosa hoe: taiza ary iza no tompon’antoka tsy nahatonga ireo fitaovana, basy sy bala ary finday mirakitra ny fifandraisana amin’ny hanatanterahana ny asa ratsy sy ny fanafihana, ka heverina ho nanamora ny fiarovan-tena sy fiarovan’ny mpisolovava an’ireo voampanga nandritra ny fotoam-pitsarana ny talata 2 jolay lasa teo.

Mila mitandrina ny inspekiteran’ny varotra
Singa iray mbola ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny sakafo. Efa akatok’izay firongatry ny fanampoizinina ara-tsakafo izay izao, hoy izy raha nitodika tamin’ ireo OPJ momba ny indostria sy ny varotra. Mila mitandrina ihany koa sao lasa singa tsy hisian’ny vary sy lafarinina eto amintsika.
Antony, tsy tokony hatao isaky ny “Lot” an’ ireo vary anaty magazay ny fanagiazana, ohatra, raha vary 20 kitapo ahitana fahasimbana, dia iny 20 kitapo iny no esorina sy hanaovana fitiliana fa raha giazana ny vary “lot” iray dia hiitatra amin’ny kitapo hafa iny ka ao anatin’ny iray na telo volana, hiakatra foloavoheny ny kitapo misy fahasimbana.
Raha ny fanadihadiana tamin’ ity resaka vary sy lafarinina eto Toamasina ity, efa mitaraina amin’ny hafitsok’ireo inspekiteran’ny varotra ny mpandraharaha mpanafatra vary ka izay no ahina tsy hanafaran’izy ireo vary sy lafarinina intsony. Mety hitarika fiakaram-bidin’ny vary sy lafarinina hafarana eto amintsika izany. Raha ny tatitra voaangona tamin’ ireo teratany vahiny mpanafatra vary sy lafarinina, tsy latsaky ny 5 tapitrisa Ariary ny hofan’ny mangazay hametrahan’izy ireo ny vary. Tsy eken’ny sampandraharahan’ny indositria sy ny varotra, amidy ny entam-barotra, ny hofan-trano mandeha ihany ny an-dry zareo, ary handoavam-bola isaky ny mitsidika ny mangazay. “Tsy zakanay intsony, henjana loatra ny endriky ny kolikoly eto Madagasikara”, hoy ny teratany vahiny iray.
Nanatontosa : Sajo




