Mozika : Fahalalahana ara-pitenenan’ny mpanakanto  sy mitana andraikitra eo amin’ny fiainana

Manana lanjany betsaka eo amin’ny tontolo ny anjara asan’ny mpanakanto noho ny mozika ataony. Manabe sy mi­taiza ary mampianatra kolontsaina maro samihafa ho an’ny olombe­lona tsirairay avy izy ireny. Nambaran’ny mpankanto, Rajery Va­liha, fa manana anjara toerana eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny mozika ary fahalalahana ara-pitenenan’ny mpanakanto ihany koa.

Voasokajy ho anisan’ny sakafo ara-panahy ny mozika. “Mihira ny olombelona rehefa te hifanakaiky sy hifandray amin’ny Zanahary na amin’ny zavatra hinoany”, hoy Randrianarisoa Germain na Rajery Valiha, raha nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny mitsabo ny olana ara-tsaina ihany koa izany. “Miteraka fihetseham-po ny mozika ka anisan’ny faritra voakitika amin’ izany ny loha sy ny fanahy izay mampidoboka ny fo ary mampibitaka ny tapany ambany amin’ny vatana », hoy ihay ity mpanakanto ity. Misy koa ny mozika izay resahina ao ana­tin’ny fitsaboana. Haverina ao amin’ny tontolo ara-dalàna sy ny fiainana andavanandron’ny olona manana fikorontanana ara-tsaina izany.
Etsy ankilany, “fahalala­hana ara-pitenenan’ny mpanakanto ny mozika satria mala­laka izy amin’ny famoronana ny tonony sy ny feony”, raha ny nambaran’ity Malagasy mpihira ity. Mila arindra tsara anefa ny feo sy ny mozika mba ho lasa zavakanto, raha ny nam­barany ihany. “Mpi­tondra sy mpampita hafatra ny mpanakanto ary mpanabe sy ma­no­dina ny lohan’ny olona hanaraka ny zavatra tiany hambara sy hampitainy”, hoy Rajery. Ankoatra izay, fomba iray ahafahana misintona lohahevitra na gadona na fomba isan-karazany amin’ny famoronana ny fahalalahan’ny mpanakanto ny mozika. « Malalaka izao ny mpanakanto iray raha mitrandraka ny hira avy any Atsimo na Avaratra kanefa izy mipetraka eto anivon-tany”, hoy ihany izy.

Azon’ny mpankafy ny tian-kambara
“Tsy voatery hazavaina amin’ny vahiny mpankafy sy mijery ny fampisehoana ny tononkira fa azony hoazy foana na dia amin’ny teny amin’ny Malagasy ranoray aza”, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Midika izany fa azon’ ny mpankafy foana ny tian-kambara sy ny hafatra tian-kampitaina amin’ny alalan’ny gadona sy loko ary ny heriji­kan’ny hira omen’ny mpanakanto azy eny an-tsehatra. Teraka tao anatin’ny feo ny zazakely, ary miampita any aminy avy hatrany ny hafatra rehetra. Amin’ny ankapobeny, faly na mitomany izy ireny re­hefa mihaino mozika. Heve­rina fa manana olana ara-pahasalamana ny zaza raha toa ka tsy misy fihetseham-po. Manoloana izany, azo sokajiana ao anatin’ny mozika noho izany ny feo. Ohatra, ajanona avokoa ny zava-maneno rehetra ao an-trano rehefa misy fahoriana. Voafetra ihany anefa izany raha ny nolazainy.

Efa nolovaina ny naha mpitendry
Anisan’ny tia mitendry Rajery. Sivy mianadahy mpiray tampo izy ireo ny zanaky ny ray aman-dreniny ary faralahy izy. Nambarany fa efa mpi­tendry valiha ny zokiny lahimatoa. Mitendry gitara sy manao teatra ny sasany amin’ ny mpiray tampo aminy, raha ny nambarany ihany. Mpana­kanto avokoa ny manodidina azy. “Hitako ny fitendrin’io zo­kiko io valiha ary tena babon’ ny feony sy ny endriny aho ary niainga teo ny faniriako hianatra mozika”, hoy ihany izy nanazava. Nanomboka nampiana-tena sy nianatra niafina izy, raha ny fitantarany. Tsy maintsy nisy foana ny fianarana fa tsy nahay fotsiny tamin’ izao na teo aza ny fanomezam-pahasoavana tao anaty.

Namela fahatsiarovana tsara sy ratsy

Nanomboka nitendry valiha teo amin’ny faha-15 taonany i Rajery. Niakatra an-tsehatra voalohany tetsy Antanimena ny taona 1983, izay tao anatin’ny Tarika Tsilavina. Hira nalaza tamin’izany, ny hoe : « Hay ve e ! Efa tralala a ! », noforon’i Randria sy Guy Rose. Tafara-dia tamin-dRakoto Frah indray ny taona 1986. Nanomboka namorona teknika fampianarana valiha ny taona 1989. Nanangana ny Tarika Akom-baliha ny taona 1991 ary teraka teo ihany koa ny anarana Rajery fa taty amin’ny 1992 vao tena nandeha irery. Nivoaka voalohany tany ampitandranomasina ny 1992 ka hatramin’izao fotoana izao.
Nivoaka voalohany ny taona 1992 tatsy amin’ny Nosy Comores. « Nijanona ela tao amin’ny nosy Comores. Sam­bany teo amin’ny fiainana izany nandeha fiaramanidina. Tany France ny taona 1993. Nisian’ilay teny hoe: « Tolory tanana Rajery » ny taona 1993. Notronin’ny mpanakanto marobe izay mbola hisaorako azy ireo ny fanotronana tamin’izany fotoana izany toy ny Iraimbilanja, Ricky ary Bodo sy izay tsy tadidiko. Nony tonga tao France avy niverina avy tany Etats-Unis izay nilazana fa nahazo ny « Prix RFI Lauréat 2002 ». Tsy nino ary tsy nieritreritra ny hibata izany loka goavana be izany. Ny fiarahana tamin’ireo mpihira malaza be izay noheveriko fa nanokatra ny fijeriko tao anatin’ny mozika satria ny fianarana tsy mety tapitra mihitsy. Ny tontolon’ny mozika izany tsy tokony ho tontolon’ny mahaihay fa tontolon’ny mahafehy ny asany. “Tsindriako fa tsy tontolon’ny matihanina ny fiteny fa tontolo mahafehy ny asa. Na ny matihanina aza tsy fantatro izay dikany. Satria fivelomana kanefa maty ny hery aloha dia inona ilay hanina ?”, hoy Rajery Valiha.

Nanatontosa : Mino

 

Partager sur: