VAOVAO TAMBATRA

Ahazoana tahiry 324 000 L isan-taona, na 1,5 miliara Ar isan-taona ny fisian’ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 1 MW any Ambodifotatra Sainte Marie. Miantoka ny 70% ny filana herinaratra any an-toerana ity toby vaovao ity, ka ho foana tanteraka ny delestazy.

Manodidina ny 1 000 Ar ny vidin’ny vary iray kapoaka eto an-toerana, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Anisan’izany ny makalioka sy ny vary gasy mena. Mahatratra 3 200 Ar sy 3 300 Ar kosa ny kilaon’ny vary hafa. Fotoana fiakaran’ny vary vakiambiaty anefa izao, saingy tsy nidina ny vidim-bary. Lazain’ny mpaninjara fa mbola hiakatra ny vidim-bary atsy ho atsy.

Maharitra kokoa ny saribao ekolojika raha ampitahaina amin’ny saribao tsotra. Efa maro ny mpamokatra azy, ankehitriny, sady miparitaka manerana ny faritra maro. Anisan’ny ahitana fivarotana azy ny eto Analamanga, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Itasy, Boeny, Mananjary, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, sns.

Partager sur: