Lehilahy novonoim-badiny: Notontain-dramatoa vato ny filahiany

Hita faty tao an-tanimbary ny raim-pianakaviana iray, afakomaly. Ahina ho tompon’antoka ny vadiny. “Notontaiko vato ny filahiany, novelesiko hazo ny lohany”, hoy ny fitantarany tamin’ny mpanao famotorana.

Nitangoronan’ny alika, lehilahy iray hita faty efa simba tanteraka tao amin’ny tanimbary iray amin’ny fokontany Ambodiala, kaominina Maromitety I, distrikan’i Marolambo, ny 27 jolay lasa teo. Taitra ny fokonolona ka nidina ifotony nijery ny zava-nisy. Namofona ratsy tsy lavitry ny toerana nampanahy. Fatin’olona efa simba tanteraka no hitan’izy ireo. Namanta­tra io olona hita faty io avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany voakasika ary ni­antso ny mpitandro filaminana. Tsy vaovao amin’ireo mpo­­nina, araka izany, ilay namoy ny ainy. Nalain’ny fianakaviany ny razana ka niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary.

Novelesim-badiny hazo

Nosamborina natao famotorana avy hatrany ny ramatoa vadin’io lehilahy hita faty io. Tsy nilamina hatry ny ela ny tokantranon’izy roa ary ma­tetika norahonan-drangahy ilay vadiny, araka ny loharanom-baovao. Tapa-kevitra hi­saraka, nihazo ny tanimboly hizara fananana izy roa, ny 15 jolay lasa teo. Raikitra fifamaliana anefa izany. “Nodaroha­ko tamin’ny vato ny filahiany ka lavo izy”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa vadiny. Torana avy hatrany rangahy. Noka­pohan-dramatoa hazo ny lohan’ io vadiny io ka tsy nahetsika intsony. “Nihazo ny tanàna aho taorian’izay”, araka ny fa­nazavan’ilay ramatoa nandritra ny famotoran’ny mpitandro filaminana azy. Nolazain-dramatoa fa lasa nihazo an’i Ma­hanoro io vadiny io, rehefa na­nontany azy ny mpiara-monina. Hita faty tampoka ilay rangahy roa herinandro taty ao­riana. Nosamborina ilay vadiny.

Tsiferana R.

Partager sur: