Fandrosoana ara-toekarena : Manan-danja ny fisafidianana ny filan’ny mpanjifa ho an’ny fandraharahana

Zava-dehibe amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana ny fahaizana misafidy ny filan’ny mpanjifa. Antoka iray hahatongavana sy hahatrarana ny tanjona izany.

Maro ny olona te hisehatra amin’ny fandraharahana eto Madagasi­kara. Betsaka nefa no miverin-dalana noho ny tsy fahaizana mitantana sy tsy fahafehezana ny fisafidianana ny za­vatra ataony. Antony iray ma­ha­tonga ny tanora iray hisehatra amin’io asa io ihany koa anefa ny fiheverana fa mahatafita izany. Mihevitra ny ankamaroany fa mandeha sy mizotra tsara ny asa rehefa ma­nam-bola entina manangana ny asa. Betsaka ny olona tsy nandia fianarana firy nefa tafita amin’io sehatra iray io, raha ny fanadihadiana natao. Mba hahatongavana amin’ny fa­hom­biazana anefa, Ilaina ny fa­nanana toe-tsaina miabo. Tokony hanana toe-tsaina tia miketrika, tia mamorona, tia manatratra tanjona, mahay manapa-kevitra, sahy mirisika, mahay mandresy lahatra, mahay mitarika sy ny maro hafa ny tanora iray. Ankoatra izay, zava-dehibe ny fahaizana misafidy sy mamantatra ny filan’ny mpanjifa. Etsy ankilany, mitaky fotoana sy faharetana ihany koa ny fananganana orinasa sy fidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana. Mila hain’ny ankizy sy ny tanora ny misafidy ny zavatra tiany sy ny mahaliana azy. “Mika­roka sy mandinika hatrany ny filan’ny mpanjifa mba hahafahana mamorona vokatra vaovao mahaliana ary misy manjifa mandritra ny fotoana maharitra», hoy ny filohan’ny Ceere, Iavobe Njaka, raha nanaovana fanadihadiana. Nilaza izy fa mila fantarin’ny tanora te hi­sehatra eo amin’ny fandraharahana ny hetahetan’ny olona tiana ho vahana. Toy ny fahaizana mifandray aman’olona, ny fahavononana hiatrika ady, manatona ireo mpitantsoroka eo amin’ny fomba fitantanana, ny fanampiana ara-bola. Ankoatra izay, sarotra ny lalana ary maro ny olana sedraina rehefa eo amin’ny fandraharahana. “Anisan’ny toe-tsaina tafiana amin’izany ny hahatrarana ny tanjona ary tsy mila kivy fa mandroso hatrany», hoy kosa ny mpandraharaha iray, Andriamijoro Mino. Araka ny nambarany, tsy mahazo mio­nona amin’ny zavatra iray ny tanora hisehatra amin’ny fandraharahana. Tsy maintsy misy tsy mety foana eny am-piandohana ary miveriverimberina matetika izany fa tsy azo atao ny kivy fa milofo ha­trany.

Beazina dieny mbola kely ny ankizy

Raha misy ankizy manam-paniriana te handraharaha. « Tsara dieny mbola kely izy dia volena ao anatiny ny toe-tsaina momba izany mba ha­hafahany miatrika ny sehatry ny asa rehefa any aoriana», hoy hatrany ny fanazavana. Tokony hampidirina ao ana­tin’ny fandaharam-pianarana izany, hamolavola ny sain’ny tanora malagasy dieny mbola kely. Tanjona amin’izany ny mba tsy hahatonga azy ireo hiankindoha amin’ny fiasana amin’ny orinasa fa hanangana ny orinasany manokana sy mahaleo tena, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Sakana ho an’ny rehetra ny vola

Antony iray tsy maharisika ny tanora hisehatra amin’ny fandraharahana ny olana ara-bola. Na dia eo aza anefa izany, efa maro ny liana sy mazoto amin’ny fanaovana azy io. Sakana ho an’ny ankamaroan’ny tanora ny tsy fahafantarana lalana hizorana sy ny olona hatonina hakana traikefa amin’ny fandraharahana. Olana hafa ihany koa ny sakana ataon’ny ray aman-dreny sy ny fanakiviana ary ny fampitahorana ma­hazo ireo maniry hisehatra amin’izany. Fanampin’izany, ta­hotry ny olona sasany ihany koa ny filazana fa natokana ho an’ny mpanam-bola irery ihany ny fandraharahana. Eo koa ny fanokanana vola be hoenti-miainga eny am-piandohana. “Fi­taovana enti-manatanteraka ny fandraharahana ny vola fa tsy sakana ary mety kokoa ny fampiasana volakely ao anatin’izany », hoy hatrany ny filohan’ny Ceere, Njaka. Nilaza izy fa tsy ny vola no sakana fa ny zavatra ho hamidy mihitsy no tsy hain’ny tanora ny mitady azy.
Tombony amin’ny fandraharahana ny fisafidianana sy fitiavan’ny tanora ny zavatra ataony. “Amin’ny sehatry ny fandraharahana, mahatsapa ianao fa hoe ny olona no hanome vola anao amin’ny alalan’ny zavatra ataonao ary mahatonga anao mifototra izany’’, hoy hatrany ny filohan’ny Ceere. Lasa mivelatra hoazy ny olona iray rehefa mandraharaha. Mila fantatra sy hay io rehefa misy zavatra miova raha tsy izany very ny mpandraharaha iray.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: