Antontan-tataratsin’ady 121 isa : Voampanga miisa 22 voaheloka higadra mandra-pahafaty tany Toamasina

Niakatra teo anivon’ ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny raha­raha mahakasika ny vono olona tany an-toerana, ny 19 may ka hatramin’ny 02 jolay lasa teo. Antontan-taratasin’ ady 121 be izao no notsaraina nandritra izany.

Nahitana ny didy hitsivolana voalohany, laharana faha 61-CC/C.A/ TOA/25, izay nivoaka ny 5 may 2025. Teo koa ny didy hitsivolana faharoa fanampiny, laharana faha 86-C.C/ C.A/TOA/25. Izay nahitana dosie valo mahakasika ny raharaha vono olona tany Bemasoandro sy Vatomandry. Teo koa ny taratasin’ady nahavoarohirohy zandary sy ny namany hafa. Anisan’ny raharaha nahabe resaka any an-drenivohitr’ i Betsimisaraka hatrany anivon’ny minisitera isan-tsokajiny izy io. Fahatelo, ny hitsivolana fanampiny, laharana faha 91-C.C/C.A/ TOA/25. Tsy maintsy nahemotra amin’ny fotoana hafa kosa ireo antontan-taratasin’ ady 10 amin’ireo.
Somary nasiaka ny fitsarana nandritra izany satria nahatratra 22 be izao ireo nahazo sazy. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty avokoa izy rehetra ireo. Vehivavy ny telo amin’izany. Marihina fa nisy olon-dratsy 40 mianadahy efa migadra ao amin’ny fonjaben’Ambala­tavoahangy. Manodidina ny 62, noho izany, ireo voafonja voaheloka asa an-terivozona ao an-toerana, raha ny antontanisa voaray. Iray ihany ny voaheloka hiasa an-terivozona mandritra ny 20 taona. Antontan-taratasin’ady miisa 11 amin’ny 22 no nahitana ireo voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafaty ireo.

Afaka noho ny fisalasalana nefa tsy tafavoaka ny fonja

Ho an’ny antontan-taratasin’ady laharana faha-61-Toa/25, izay mahakasika ny raharaha ady lova, izay nitarika tamin’ny vono olona, ny 04 febroary 2024, tao Bemasoan­dro-Vatomandry. Notantera­hina ny volana jolay lasa teo ny fotoam-pitsarana izany. Naharitra adiny fito ny fotoam-pitsarana. Vokany, voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty ny lehilahy iray 22 taona tompon’antoka tamin’ny raharaha. Olona telo hafa nohafahan’ny fitsarana madiodio. Anisan’izany ny mpiambina ny tanànan’ilay niharam-boina, ny anadahin’ ilay ramatoa novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana ary ny lehilahy iray mpanao trano tany Toamasina. Nandritra ny fitsarana, nanamafy ilay tovolahy 22 taona fa nirahin’ilay anadahin’ilay ramatoa maty izy mba hanatanteraka ny famonoana. Volabe no voalazan’ny naniraka azy ho karamany raha mahavita ny famonoana izy, raha ny nambarany teo alohan’ny mpitsara.

Famonoana feno habibiana

Lehilahy efatra no nanantanteraka ny asa famonoana tamin’io fotoana io. Niainga vao maraimbe, tany Toama­sina hihazo an’i Vatomandry, ireo lehilahy roa hanao ny asa famonoana. Rehefa tonga tany, nivantana tao an-tokatranon’ny anadahin’ilay ramatoa ho vonoina. Rehefa tamin’ ny iray ora sy sasany, naira-nivoaka ny trano ny lehilahy miisa efatra ary niditra ny tokantranon’ ilay ramatoa ho vonoina. Niditra voalohany tao ny anadahiny, izay nampaniraka ny asa ratsy, nandray fanoto izy ka namely izany tany amin’ny fihirifan’io vehivavy io.

Fanohanana roa tao anatin’ny 24 ora

Hentitra tamin’ny famoahana didy mahakasika ireo raharaha samihafa ireo ny teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana. Samy nanaovan’ny tonian’ny fitsarana ambony Toamasina, Abdou Mohamed, tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny fampanoavana, fanohanana avokoa ireo didy nivoaka rehetra ireo. Tao anatin’ny 24 ora monja, nahitana didim-pitsarana miendrika famotsorana voampanga tamin’ny raharaha vono olona niniana natao, tahaka ny tao Be­masoandro Vatomandry. Teo koa ny raharaha nahavoarohirohy zandary sy miaramila ary sivily telo lahy, izay notsaraina tamin’ny 02 jolay lasa teo.
Ho an’ny raharaha vono olona niniana natao io, mbola miandry ny fotoam-pitsarana manaraka ireo olona voarohirohy raha toa ka efa tokony hivoaka ny fonja. Ho an’ ireo nisy zandary kosa, nahazo fahafahana madiodio ary tsy azo henjehina intsony izy ireo, raha ny didy navoakan’ny mpitsara mpamoaka didy. Nokarakaraina ny taratasy nivoahan’izy ireo ka tafavoaka avy hatrany. Taorian’izany, efa tafavoaka avokoa izy ireo vao nilatsaka ny fanohanana sy fampiakarana fandravana didy nataon’ny tonian’ny fampanoavana ambony.
Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tonian’ny fampanoavana, manana fe-potoana hatramin’ny 72 ora ny fampanoavana eo amin’ny sampam-pitsarana isan’ambaratonga mihazona ny olona navotsotry ny mpitsara mpamoaka didy. «Endrika ahafanatarana fa manenjika ny fadikan-dalàna ny fampanoavana», hoy hatrany ny fanazavana. Nambarany fa takin’ny lehiben’ny zandary ny hamerenana ny olony raha didy fisamborana omena ny polisy kosa ireo sivily.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: