Tsipy kanetibe – « Masters 2025 »  : Nihemotra laharana fahatelo ny Malagasy

Raha laharana voalohany ny ekipa malagasy taorian’ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, ta­ranja tsipy kanetibe. Nivarina fahatelo indray taorian’ny fahavitan’ny dingana fahefatra, notanterahina tao Palamas-Les-Flots, France, ny talata lasa teo. Raha tsiahivina, nihin­tsana teo amin’ny dingana am­pahefa-dalana i Zigle sy i Tiana ary i Yves. Resin’ny ekipan’i Bonetto, tamin’ny isa 13 no ho 10, ry zalahy. Sahirana izy ireo satria kianja fasika ary natao ho an’ny tifitra fotsiny izany. Tsy nety nifameno mihi­tsy ny lalaon’izy telo miraha­lahy. Imbetsaka ny Malagasy no voatery nitifitra ny bosoa hatrany i Yves. Nitarika tamin’ ny isa 5 no ho 0 avy eo nihoaran-dry Bonetto, ho 9 no ho 5. Nitarika 10 no ho 5 indray ary voasahala 10 no ho 10. Tsy tafiditra tsara tao anaty lalao mihitsy i Zigle ka voatery natao “pointeur”. Tsy nahitana fahom­biazana izany fa tsy maintsy nitifitra bosoa indray. Tsy voan’ i Tiana sy Yves intsony anefa izany ka nitarika ny fahare­sena.
Ny ekipan’ny Riviera kosa no miverina ho lohany, ma­nana isa 24 arahin’i Bonetto nahazo isa 22. Eo amin’ny fahefatra no misy an’Andrian­tseheno Christian (Racl), isa 17. Ny Wild Card ny fahadimy, isa 16 ary Italie fahenina, isa 14. Fa­hafito i Rocher, isa 9. Lalao manaraka ny dingana faha­dimy hatao any Nevers, ny
21 aogositra ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: