Fahaiza-mitantana: Nohamafisina ny mangarahara eny anivon’ny kaominina

Niompana amin’ny fahaiza-mitantana eny ifotony ny atrikasa notarihin’ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niarahana amin’ireo mpamatsy vola ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy.

Nandray anjara amin’ny atrikasa ny avy amin’ny faritra Atsimo Andrefa­na sy Anosy ary Androy tao anatin’ny efatra andro. Tafi­ditra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa ho famaliana ny hetahetan’ny mponina amin’ ireo kaominina miisa 133 amin’­ireo faritra ireo izany. Iarahana amin’ny tetikasa « Mionjo », vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, amin’ny alalan’ny Fid. Nisitraka ny fampiofanana ireo mpitantana eny ifotony, ahitana ireo ben’ny Tanàna sy ny mpitambo­lan’ny kaominina ary ireo misahana ny fampandrosoana ny eny ifotony (ADL) avy amin’ ireo kaominina miisa 27. Ao anatin’ny distrikan’i Morombe sy ny avy any Ankazoabo Atsimo ary koa ny avy any Beroroha izy ireo.
Nambaran’ny avy amin’ny MFFT fa tanjona amin’izao atrikasa izao ny fanamafisana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny kaominina. Eo koa ny fisorohana ny kolikoly sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanana ary nanazavana ny andraikitry ny tsirairay amin’ny eny ifotony.

Mamaly ny filan’ny olom-pirenena eny ifotony

Anisan’ny iompanan’ny tetikasa “Mionjo” rahateo ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony sy ny fampiroboroboana ny fahaiza-mitantana ho amin’ny fandraisana andraikitra ary koa ny fametrahana ny fotodrafitrasa mamaly ny filan’ny mponina.
Anisan’ny nitarika izany ny eo anivon’ny minisitera (MFFT) sy ny FDL. Eo koa ny avy amin’ny Bianco sy ny eo anivon’ny Tendrom­pitsarana miady amin’ny kolikoly. Ny avy amin’ ny mpisaforaharaham-panjakana (IGE), ny fitsarana momba ny kaonty ary ireo solontenam-panjakana.

Synèse R.

Partager sur: