Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 24 aogositra ho avy izao, ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”. Hiatrika izany ireo ekipa 8 voalohany tamin’ny “Top 12” farany teo, Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Lalao famaranana kely ny an’ny roa tonta satria adin’ny samy kartie. Samy manana ny fahaiza-manaony ireto ekipa ireto ary samy manana mpilalao tanora sy matanjaka. Ho resy, araka izany, izay ratsy fanomanana sy tsy manana taktika hoentina miatrika izany.
Ankoatra izay, hifanandrina ny samy manjakaray dia ny FTM (Dakar) sy ny Mang’Arts. Manatombo eo amin’ny traikefa sy ny fahazarana lalao goavana ny FTM, saingy tsy vitan’izay io fa ny eo ambony kianja ihany no hilaza azy. Ny Cosfa (Bebaoty) kosa hifanandrina amin’ny 3FB Fahasalamana. Hanala vela ny ekipan’ny minisitera amin’ity. Ny Tam Anosibe kosa hifanazava amin’ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra).
Tompondaka




