Ao anaty fanomanana ny “Cosafa U17” ny Barea zandriny amin’izao fotoana izao. Niova kely ny firafitry ny ekipam-pirenena amin’ity satria nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasionina (FMF) fa hiantso mpilalao mpilaravinahitra. Efatra izy ireo, ka ny telo avy any Frantsa ary ny iray avy atsy La Réunion.
Voahosotra ho tompondakan’ny “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy, ny ekipa mpampiantrano, Angola, rehefa nandresy an’i Mali tamin’ny isa mavesatra 70 no ho 45. I Madagasikara kosa no nahazo ny amboaran’ny “Fair Play” nandritra ity fifaninanana ity, izay natolotra nandritra ny famaranana tany an-toerana.
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Toliara, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy Vétérans, lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Super Vétérans ny ekipan’ny Viga sy BCB, raha teo amin’ny Vétérans kosa ny ekipan’ny BC Blindé sy MBS.




