« Afrima Awards » : Voafidy hifaninana i Denise

Mitohy hatrany ny lalany. Voafantina hifaninanana amin’ny « All Africa Awards » na « Afrima Awards » indray mantsy i Denise. Vaovao lehibe nivoaka ny faran’ny herinandro teo, satria manaporofo fa misokatra ho an’ity mpanakanto ity ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Fandaharana ireo mpanakanto afrikanina mpanao mozika manana ny lazany izy ity. Nahatratra 10 717 ireo mpanakanto nifaninana, izay maro indrindra hatramin’ny niforonan’ny hetsika, nanomboka ny taona 2013. 343 tamin’ireo ihany anefa no tafakatra amin’ny dingana famaranana, izay mbola mizara anaty sokajy 40. Ilay hira “Matoky Zagnahary” no nalefan’i Denise nifaninanana, ka tafiditra anatin’ireo hira 10 milahatra anatin’ny sokajy “mpihira vehivavy mendrika indrindra” izy.
Araka ny fantatra, nosakajian’ireo mpitsara arakaraka ny mampiavaka ny forona, ny kalitao ary ny fiantraikany ara-kolontsaina no nisafidianana ireo hira nifaninana. Vehivavy mpihira afrikanina miisa 10, araka izany, no milahatra amin’i Denise. Tsiahivina fa efa nahazo ny voalohany tamin’ny sokajy “Révélation de l’année” tamin’ity fifaninana ity ihany koa i Shyn, ny taona 2017. Izy izay sady vadin’i Denise no mpanohana voalohany azy ao anatin’ny tontolon’ny mozika. Hisokatra ny 15 septambra izao ny fahafahana mifidy, izay hanentanana ny Malagasy maneran-tany. Hatao ao amin’ny tranonkala afrima.org izany.

Zo ny Aina

Partager sur: