Raboussa: Mbola tompon’ny rap gasy

Tsy tokony hisy adihevitra intsony… Mbola Raboussa irery, hatreto, no mpiangaly ny rap gasy nameno ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­hama­sina. Tsy voalohany izany, sain­gy mbola noporofoiny indray fa anisan’ireo mpanakanto sangany, be mpankafy ary tompon’ny rap gasy ny tarika. Tsy nisy no­diavina ny lapa, rakotr’ireo mpankafy izay efa misy sokajin-taona samihafa. Tsy nahagaga loatra, satria ivon’ny fa­namarihana ny 25 taona an-tsehatra ny seho omaly, ho­an-dRaboussa.
Matoa namaly antso ny mpankafy, avo lenta ny ara-javakanto. «Tonga indray, rehefa tsy hitahita teo ilay kaofiboay, hoy ny tononkira nampidirany ny fampisehoana. Anisan’ireo mpanao rap nampiditra mpitendry eny an-tsehatra Raboussa ary tombony lehibe sy anisan’ny antony maha tsy mety lefy laza azy izany. Niainana kokoa ireo hira, na ireo efa tranainy toa ny «tsiky sy tomany», « Alaiko sipa, alaiko vady», mandalo ny «ohatran’lah ihany za», «Aleo izy ho any», sns, hatramin’ireo taty aoriana.
Fotoana nafana indrindra tamin’ny fiarahana koa ny nampiakaran-dRaboussa ireo mpanakanto nasainy manokana. Voalohany tamin’izany ny tarika Da Hopp, izay anisan’ireo nisava lalana ny rap gasy teto amin’ny tanàna ihany koa. Nanaraka avy eo ry Sa­moela, izay nampiara-peo ta­miny nialoha ny nanaovany ny «Hafaliana». I Malala ‘Zay, niara-niredona ny «Hatramin’ izao» porofon’ny fifandraisana efa ela teo amin’ireto mpanakanto ireto. Teo ihany koa i Do B, tompondaka maneran-tany amin’ny Beat Box, izay vahiny tampotampoka, nameno ny sary maha raitra ny seho. Din­gana lehibe indray no vita ho an-dRaboussa sy ny SR Event, mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: