TARATRY ny KANTO

Nahitam-pahombiazana ny “Labdihy” andiany faha-11. Tontosa nandritra iny herinandro nivalona iny ity hetsika manokana ho an’ny dihy, nampivondrona indray ireo manan-talenta amin’ity sehatra ity. Natao omaly, tetsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina ny fampisehoana, nenti-namaranana ny hetsika, izay naka endrika famintinana ireo nitranga nandritra ny herinandro. Na­nasongadina ny talentan’ireo mpamorona soradihy sy ireo mpandihy, arakaraka ny lohahevitra izany.
Nisongadina i Valisoa Ramananjanahary. Anisan’irony “influenceur” malaza, fantatra amin’ny anarana hoe “Valisoa regarde le monde” izy. Nahazo pi-maso manokana tamin’ny mpitsara, nandritra ny andiany faha-6 tamin’ny « Influencers Awards Indian Ocean », fifaninanana izay nokarakaraina tatsy amin’ny Nosy Maurice mantsy i Valisoa. Maro ireo nifidy azy, saingy tsy nahazo ny laharana voalohany, fa nasongadin’ireo mpitsara.
Nahazo ny laharana fahatelo, tamin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena « Pont vers le chinois », i Rochelli­nah Raïcha Nomenjanahary. Mpianatra ao amin’ny Institut Conficius, ao amin’ny Oniversiten’ Anta­nanarivo izy, izay nandray anjara tamin’ity fifaninanana miteny sinoa, ho an’ireo hafa firenena ity. Tanora efa an-tapitrisany no nandray anjara tamin’izany, izay avy amina firenena maherin’ny 170, nandritra izay 22 taona nisian’ny fifaninanana izay.

Partager sur: