Tarika Njila: Kely sisa dia tafaverina ny fahiny !

Tao i Poopy, Ramaka ary i Datita… Niara-namerina ny “Revy Njila 100%” izy ireo. Niaina indray ny tamberina sy tsiahy ireo mpankafy tao Antsahamanitra, na dia nahatsapa koa ny fahabangan’ireo mpikambana sasany tao amin’ny tarika aza.

“Tena izany mihitsy ilay feon-kira fanombo­han’ny tarika Njila ny fampisehoana taloha”. Nitam­berina vetivety tamin’i Naina R. ny fahatanorany, nomarihin’ny hiran’ny tarika Njila. Vao naneno ny naoty voalohany, omaly, tetsy Antsahamanitra, dia hain’ny mpankafy rehetra ny hira miainga. “An-tananao” ny hira voalohany, narahin’ny “Ny hirako” sy “Voan-dalana”… Avy hatrany dia tena naneho tokoa ilay “Revy Njila”, araka ny anaran’ny seho izany.
Tsy tena “zato isan-jato” anefa ho an’ireo “mpiondana” nandritra ny 45 taona mahery nanarahana ny tarika Njila. Teo Ramaka, fantatra amin’ilay fifehezana ny resadresaka momba ny tarika. Tonga ma­nokana nifanotrona tamin’ireo namany izy. Teo koa i Datita Rabeson, mpitendry gitara na­haritra tao amin’ny tarika. Ma­zava loatra fa teo koa i Poopy, nanomboka ny fiakarany an-tsehatra tao amin’ny tarika Njila, ary niara-namerina ireo hira maro tsy lefy laza nandritra ny fiarahana.
Fa tsapa ny fahabangana, rehefa tsy tazana sy re ireo mpikambana hafa izay tena fantatry ny mpankafy nandritra ny taona maro. Tia miandry hatrany ny feon’i Hery sy i Mamy ny mpankafy, tamin’ireo hira malaza maro toa ny “Lavitra”, “Zahay sy i Malala”, “Fihavanana”, “Tantaran’iala­hy”, “Aina”, “Nandalo teo”, “Mi­janga”, sns. Indrindra fa nahafantatra avokoa ny ankamaroan’ireo mpankafy fa mandalo eto an-tanindrazana i Mamy amin’izao fotoana, ary heverina fa afaka niara-nanatontosa ny seho ihany…
Ny antony tsy idiran’ny mpankafy lalina, fa soa fa fe­non’ny feon’i Mahery hatrany ny seho. Mbola fanampiny aza ny “Fitia voarara”, nahafantarana azy sy i Poopy tamin’ny fahatanorany. Teo koa ny “Tsy hahita” sy “Raha nofy”, izay nampisongadina an’i Poopy hatramin’izay. Hain­gon’ny seho ihany koa ny na­nasan’i Njila an’i Fara Gloum, niara-nihira taminy ny “Flavo­quine”, sanganasan’i Farezy.
“Avelao izahay hampiara-peo, iarahanay, hatolotray anareo… Avelao ho hitan’ny havany eo, izay tsy miray hina…”, hoy ny tononkiran’ny tarika Njila, niarahany niredona tamin’ny mpankafy. Tao anaty tononkira ny hafatra…

Zo ny Aina

Partager sur: