VAOVAO TAMBATRA

Nananosarotra ireo mpankafy Baloina kitra ny nitady « vuvuzela » teny amin’ireo mpivarotra, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ireo mpivarotra tetsy Analakely fa efa lafo avokoa ny sifflet sy ny bapampa tamin’izay fotoana izay. Maro tamin’ireo mpivarotra koa no nahazo tombony 50 isan-jato tamin’ny fivarotana akanjo misy sary famantarana Barea.
Araka ny fikarohana natao omaly, manao ny ezaka amin’ny fiompiana trondro mba ho fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny fampandrosoana maharitra ny Sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena ao Moramanga na ESGN. Omena fiofanana feno momba ny teknika fiompiana trondro, manomboka amin’ny fanomanana ny dobo ka hatramin’ny fitatazana ny vokatra ireo mpianatra. Tonga nanao fitsidihana sy ny fanjohiana ny toerana ny DR PEB ao Alaotra Mangoro, ny sabotsy lasa teo.
Ho fampivelarana ny toekarena manga eto Madagasikara, nisy ny fampiofanana ireo tanora miisa 43 avy amin’ny Anjerimanontolo, ny 28 aogositra lasa teo. Notontosaina tao amin’ny Maison des jeunes Antsiranana, faritra Diana, izany. Ity fampiofanana ity izay anisan’ny hetsika napetraky ny “Salon régional de l’emploi et de l’entreprenariat” (SREE).

Partager sur: