Biby hafakely : Mahasarika ny maro noho izy ireny manala rarintsaina

Seha-pihariana iray mahaliana sy maha­sarika olona maro ny fiompiana karazam-biby hafakely. Manampy ny olona amin’ny fanalana ny rarintsaina mahazo azy ny miompy azy ireny.

Mahaliana sy efa ma­hazo vahana eto Ma­dagasikara ny fiompiana ireo karazam-biby hafakely tsy fahita firy, na miala amin’ny mahazatra. Misy mi­hitsy ny manao izany ho asa fivelomana efa tao anatin’ny taona maro. Mahasarika ny maro miompy azy ireny noho ny fananan’ireo biby endrika miavaka, tsy mitovy amin’ny fiompy mahazatra. Tia miompy izany ny olona nanaovana fanadihadiana satria manin­tona maso sy mitondra fifa­liana ary manala rarintsaina izy ireny, amin’ny ankapobeny. Mahasarika ny mason’ny olona ihany koa, indrindra rehefa any amin’ny fampirantiana. Ankoatra izay, biby mora ompiana sy tsy mitaky toerana lehibe. Etsy ankilany, fialamboly sy manala adin-tsaina ho an’ny olona ihany koa ny fiompiana ny biby hafakely ka an­tony hanaovany azy. Mora mi­tombo taranaka ihany koa izy ireny, raha tsara karakara sy tia azy ny tompony. Maro amin’ ny mpiompy no tia mampiasa vola aminy satria anisan’ny biby fiompy somary lafo izy raha oharina amin’ny hafa.
Efa niompy efa hatramin’ izay ireo ray aman-drenin’i Radoniaina ka antony nahatonga azy hiompy, raha ny fanazavany. “Teraka sy lehibe tao anatin’ny fiompiana sy fambolena, ka lasa tia sy nankafy izany manokana”, hoy izy. Niainga tamin’ny fiom­piana akoho gasy sy bitro gasy ny nataon’izy ireo tany am-piandohana. “Mahaleo tena 100% amin’ny lafiny ara-bola ary tsy misy fanampiana avy any ivelany fa miezaka manodina ny eo an-tanana », hoy ihany izy. Rehefa maha­kasika ny fahasalamana ihany vao miara-miasa amin’ny mpi­tsabo biby.

Fitrandrahana ireo biby an’ala

Niezaka nitrandraka sy nikaroka mba hampivoarana ny fiompiana nentim-paharazana taty aoriana, ary nanafatra karazam-biby vaovao, hafa kely tsy fahita andavanandro. Mahafinaritra ary tena anka­fiziny ny fiompiana ireo karazam-biby ireo. Anisan’izany, ny Géant de flandre, bitro avy any Bélgique. Anisan’ny bitro vaventy indrindra, satria ma­hatratra hatramin’ny 8 kg eo ny lanjany, ao anatin’ny 7 vo­lana. Ompiana manokana ho naman’ny olombelona na an­tsoina hoe (animaux de compagnie) izy ireny. Miala amin’ ny fiompiana saka sy alika mahazatra ny olona ary ma­nolo izany ho bitro. Ankoatra izay, manala rarintsaina ny fahitana ireo karazam-biby ireo ka anisan’ny tsy ahafoi­zany azy, raha ny fanazavany hatrany. Ankoatra izay, biby miaina sy mivelona anaty ala avokoa ireo karazam-biby ompiany ireo. Amin’ny ankapobeny, tsy tia mihidy ary tsy mety ompiana anaty trano fa mila toerana malalaka ikarenjeny. “Ezahina arahina sy fenoina araka ny tokony ho izy ny sakafo, ny fikarakarana rehetra ilainy sy mahafeno ny zavatra takian’ireo biby mba hahitana vokatra », hoy hatrany izy. « Mila fitiavana be ihany koa ny karazam-biby ompiany ireo », hoy izy nanamafy. Mi­lamina sy mamokatra tsara izy ireo rehefa feno sy tanteraka ireo fepetra rehetra ireo.

Asa mila fikirizana

Ilana fikirizana sy fitiavana ny fiompiana ireo biby hafa­kely ireo. Mitovy amin’ny fiompiana biby mahazatra ny maro ihany koa izany. Asa tsy tapaka ny fiompiana. Mila olona tsy miangitraingitra ihany koa satria tsy maintsy diovina ny toe­rana fonenan’ny biby. Esorina ny fako, omena sakafo sy rano, arahi-maso ny fahasalamany sy ny maro hafa. Tsy mahomby ny fiompiana raha tsy mahavita ireo ny mpiompy iray.

Faharoa, mila olona tia an’ilay biby ihany koa. Lasa fialamboly hoazy rehefa ela ny ela. Mitaky asa 24 /24 ora, ary 7/7 ny asa, ary na andro na alina. Tsy maintsy eo foana ny olona amin’ny fikarakarana ny biby fiompy fa tsy azo avela tsy mihinan-kanina satria mamono sy mampihena ny vokatra izany. Ahitam-bokatra foana ny asa iray rehefa tiana sy akafizina na mamizana sy mafy tahaka ny inona aza.

Nanatontosa : Mino

 

Partager sur: