Dr Andriamahazosoa Irako Ammi : « Ny olom-baovao no afaka manova »

Anisan’ny nivoitra tamin’ny fampianarana nentin’ny filoha teo aloha eo anivon’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako, ny momba ny fanarenana ny firenena. Nahitsy ny nambarany tamin’izany tetsy Ambatonakanga.

Niompana amin’ny fanamarihana telo samihafa ny teny fampianarany tamin’ny fotoam-pivavahana nanokafana ny faha-10 taon’ ny Hetsika Rohy, ny herinandro teo. Nambarany fa ilaina ny fanovana olona fa tsy ny rafitra. « Olom-baovao ihany no afaka manavao », hoy izy. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ ny fanarenana izany. Eo koa anefa ny fanankinana amin’ Andriamanitra ny fiainam-pirenena na ho an’ny vahoaka izany na koa ho an’ny mpitondra. Ilaina fanovana olona sy ny fifantohana amin’ny tombon­tsoa iombonana. Tsy azo ihodivirana amin’izany ny fampitoviana ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. Tsy tokony hisy, araka izany, ny fanomezana tombon-dahiny ny olona akaiky, toy ny fianakaviana, na namana.

Araka izany, nofintinina amin’ireo lohahevitra telo ireo ny ho fanarenana ny firenena na ny fananganana ireo rava eo amin’ny firenena.

Mbola marefo ny demokrasia

Nambaran’ny eo anivon’ny hetsika Rohy, tamin’ny alalan’ ny filohany, Andriamoraniaina Harijaona, fa mbola marefo ny demokrasia sy ny fametra­hana ny fifidianana. Mbola betsaka koa ny lesoka tokony hatsaraina. « Anisan’izany, ohatra, ny momba ny fifidia­nana. Tsy afa-misaina izany intsony ny olona noho ny fahasahiranana ka voarebireby sy vitan’ny anio fotsiny nefa sady voavidy izy ireo amin’izany », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fanatsarana ny fifidianana iarahana amin’ny mpisehatra rehetra; na ho an’ny fanohe­rana na ho an’ny mpomba ny fitondrana, hijerena ny tombontsoan’ny Malagasy.

Synèse R.

Partager sur: