OJM : “Voafehin’ny lalàna ny mpanao gazety”

“Tokony ho voafehin’ny lalàna hatrany ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asany, fa tsy misy eo ambonin’ny lalàna. Eny, na tsy teratany ao amin’ny firenena: tokony hofehezin’ny lalàna eo amin’ny firenena iasany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Monica Harimbola, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny vahiny mpanao gazety miasa eto Madaga­sikara. Na aiza na aiza firenena iasany, ary na amin’ny sehatra inona na inona, fehezin’ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ny mpanao gazety. Indrindra ny amin’ny tokony hanajana ny tandrohasina sy ny marinasa ny asa fanaovan-gazety, izay tokony ho fantatry ny mpanao gazety matihanina maneran-tany…
Momba ny tranga niseho tamin’ny vahiny mpanao gazety izay misolo tena ny orinasan-gazety vahiny miasa eto Mada­gasikara dia tsy mpikamban’ny OJM, na tsy mandrara an’izay aza ny lalàna. Misy amin’ireo solontenan’ny orinasa vahiny no mangataka karatry ny OJM, rehefa mahafeno fepetra takin’ny lalàna malagasy dia mpikambana. Manampy azy ireo amin’ny fiarovana faritan’ny lalàna ho an’ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asa fanaovan-gazety ny maha mpikam­ban’ny OJM azy. Ny amin’ny tranga niseho, tsy nangataka fanohanana tany amin’ny rafitra malagasy faritan’ny lalàna hampiroborobo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ilay mpanao gazety miasa amin’ny orinasan-gazety vahiny.

R. Nd.

Partager sur: