Rugby vehivavy – Divizionina 1 : Resin’ny SCB Besarety ny FTFA Antohomadinika

Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy D1. Nivoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny an’ny Besare­ty sy ny FTFA Antohomadi­nika. Tamin’ny isa tery, 15 no ho 13 no nisarahan’ny roa tonta. Niady ny lalao ary nifamaliana hatramin’ny farany ny fanafihana teo amin’ny ireo mpikatroka.
Fileovana anisan’ny misongadina indrindra eto Ma­dagasikara ny roa tonta, ary ahitana ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar. Anisan’izany ry Jinah kely sy i Ericka ary Yvanah ho an’ny Besarety raha i Sosoa sy i Nandrianina miampy an’i Grande sy i Mialy kosa no ao amin’ny FTFA. Nifampitana tamin’ny tanjaka ny andaniny sy ny ankilany. Nampiseho ny fahaiza-manaony ireo mpilalao isanisany. Efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana vao nivoaka ho mpandresy ry Jinah kely tamin’ity. Hifanan­drina amin’ny RCTS Soavima­soandro, tarihin-dry Vero sy Vachily ary Sophie, nandresy ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 29 no ho 25 izy ireo.
Teo amin’ny lehilahy indray, tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa (Bebaoty), ny Tam Anosibe. Tamin’ny isa 56 no ho 31 no nisarahan’ny roa tonta. TFA Anatihazo indray resin’ny FTM, tamin’ny isa 39 no ho 34.

Tompondaka

Partager sur: