Basikety-taona 2025 : Tsara ny vokatra ho an’ny Klioban’ny NBE

Klioba manomboka mametraka ny anarany eo amin’ny sehatra nasionaly ny NBE (New Basket Evolution) Analamanga. Ho an’ny taom-pikatrohana 2025, tsara ny vokatra ho azy ireo, satria tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, sokajy lehilahy, izay natao tany Arivonimamo ary tompondakan’i Madagasikara lefitra, teo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, izay natao tany Toamasina. Ny fitsipika, ny fanomanana ara-batana sy ara-tsaina no tombony lehibe nananan’ny mpilalao ka nahazoana ny fandresena, araka ny nambaran’ny mpanazatra, Njatonirainy Jean Tiana. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny Klioba, Razanadambo Tania, fa misy ny fototra nampita ta­min’ireo mpilalao ka nampiharin’izy ireo teny ambony kianja. “Mitaiza ny tanora handeha amin’ny lala-mahitsy sy marina, tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina ary ho olom-banona ny NBE”, hoy ny nambaran’ity filohan’ny klioba ity. Tsiahivina fa mamolavola ankizy manomboka amin’ny U10 hatramin’ny U20 ny NBE ary manodidina ny 250 eo ny isan’ny mpilalao ao aminy hatreto. Nisy ny lanonana natao, omaly, noho ny nahazoana izao vokatra tsara izao.

Mi.Raz

Partager sur: