SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fiofanana ho an’ny Maître de salle ny ligin’ny Karate-do Anôsy, ny faran’ny herinandro teo. Fiofanana notarihin’ny mpanazatra iraisam-pirenena, Shihan Georges Hafizou, sy ireo mpanazatra nasionaly. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana taorian’ny fiofanana.

Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 4 hatramin’ny 14 septambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A “élites 8”, dingana faharoa sy farany, taranja basikety. Anio 3 septambra kosa no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika mahakasika ny fifaninanana.

Hotontosaina ny 21 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana “MuayThai Tournament”, andiany faharoa, taranja Muay Thai. Fifaninanana karakarain’ny klioban’ny GISL, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny taranja Muay Thai.

Partager sur: