Vokatra tsara tamin’ny “Chan 2024” : Nampihantain’ny Yas Madagascar ny Barea

Taorian’ireny vokatra tsara azon’ny Barea A’, nandritra ny “Chan 2024” ireny, noraisin’ny orinasa Yas teny Andraharo izy ireo, omaly. Ho fankasitrahana ny ezaka vitan’izy ireo, nisy ny fanolorana tambin-karama “prime” sy finday ho an’ny mpilalao sy ny staff ekipam-pirenena malagasy.
Tsara ny mampahatsiahy fa nisalotra ny medaly volafotsy ny Barean’i Madagasikara, tamin’ity taom-pilalaovana ity, ary tsy nitsanga-menatra ta­min’ireo lalao rehetra nataony.
Ny taona 2008, nanomboka nanohana ny baolina kitra malagasy ny Telma, izay niova ho Yas ankehitriny. Taorian’ny medaly alimo azon’ ireo Malagasy mpilalao nandrafitra ny Barea Chan 2022, notoloran’ny Yas lelavola 4 tapitrisa Ariary sy finday avo lenta vaovao Samsung S22 sy A22 avy izy ireo sy ny staff tamin’izany fotoana izany.
Tsy voafaritra mazava ny vola azon’ny Barea tamin’ity taona ity na ny marik’ilay finday azon’izy ireo aza, tsy nampahafantarina an’ireo mpanao gazety teny an-toerana. Nilaza moa ny Yas Ma­dagascar fa vonona hatrany ry zareo hanohana ny baolina kitra eto an-toerana. Maro dia maro ireo mpiasan’ny Yas nanao fiaraha-maka sary tamin’ireo maherifo nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo.

Fitia Randria

Partager sur: