Fifanintsanana « Mondial 2026 » : Hitady isa telo manoloana an’i Centrafrique ny Barea

Hiatrika ny fifanintsanana “Mondial 2026”, hihaonana amin’i Centrafrique, ny ekipa nasionaly malagasy, Barean’i Madagasikara, anio. Hiezaka ny hahazo isa telo izy ireo, mba hanana tombony kokoa.

Tonga ity ny fotoana! Hia­trika ny lalao ifanintsa­nana amin’ny “Mondial 2026” indray ny Barea, anio, any Maroc. Hifanandrina amin’i Madagasikara, amin’izany, i Centrafrique, fihaonana izay tanterahina ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli Casablanca. Hie­zaka ny hitady isa telo indray ny Malagasy. Ny hanatsarana hatrany ny vokatra efa azon’ ireo Barea A’, nandritra ny “Chan 2024” iny no tanjona.
Tsara marihina fa mbola manala vela amin’ny Mala­gasy mpilalao i Centrafrique. Teo amin’ny lalao mandroso, lavon’ny Barea, tamin’ny isa 4 no ho 1, ry zareo. Tsara ny mampahafantatra fa mpilalao 23 no nantsoin’ny mpazanatran’ny Barea, i Corentin Mar­tins. Nisongadina tamin’izany ny fahatongavan’i Andy Pel­mard, vodilaharana milaravina­hitra ao amin’ny Clermont Foot, divizionina faharoa ao Frantsa, sy ireo mpilalao Barea A’. Ireto farany izay nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny fifanina­nana “Chan 2024” farany teo. Ahitana an’i Bono sy i Nicolas, vodilaharana, i Toldo, mpiandry harato. Miampy an’i Mami­soa, mpilalao afovoany.
Ankoatra izy efatra mirahalahy ireo, misy mpilalao telo hafa koa amin’ity Chan ity, nan­tsoin’ity teknisianina ity. Ani­san’izany i Tony sy i Lalaina ary i Rado.
Tsara marihina fa laharana fahatelo ny Barea ao amin’ny vondrona “I” misy azy, ary mi­tana ny isa 10, taorian’ny lalao rehetra nataony. Ny 8 septambra ho avy io, hifandona amin’i Tchad, ny Malagasy, fihaonana izay hatao any an-toerana ihany.

Fitia Randria

Partager sur: