Anisan’ny fanamby napetraky ny Federasionin’ny karate-do malagasy ny hivelaran’ ny Malagasy atleta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hahazoana vokatra tsara. Porofon’izany ny vokatra azon’ny Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria farany teo. 11 mianadahy no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany avokoa ny 8 amin’izy ireo. Ankehitriny, nahazo ny fankatoavana ofisialy avy amin’ny iraisam-pirenena i Madagasikara fa handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, amin’ny taona 2026. Nandritra ny fivoriana nataon’ny birao mpanatanteraka eo anivon’ny Ufak (Union des fédérations africaines de karate), ny 29 aogositra lasa teo, no nandinihina ny antontan-taratasin’i Madagasikara mahakasika ny fangatahana amin’ny handraisana ity fifaninanana ity, araka ny voarakitra ao amin’ny taratasy fankatoavana. Ny 1 septambra lasa teo kosa no nahazo izany taratasy fankatoavana izany ny filohan’ny federasionina, Ratefinanahary Emile. Nanamafy ihany koa ny Ufak fa hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifaninanana izy ireo.
Tsiahivina, ny 7 hatramin’ny 13 septambra 2026, eto Antananarivo, ny daty sy toerana voatondro hanatanterahina ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Ny sokajy Cadets, Junior ary Senior, eo amin’ny kata sy kumite, no hifaninana mandritra ny herinandro. Ho avy eto an-toerana ny filohan’ny WKF sy ny Ufak. “Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara izao fandraisana fifaninanana goavana izao”, hoy ny filohan’ny FKM.
Mi.Raz




