Hotontosaina manomboka anio, any amin’ny Nosy Maorisy, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Nanamarika ireo mpikatroka fa nianto-tena tanteraka izy ireo amin’ ity fifaninanana ity, saingy kosa ny voninahi-pirenena no arovana. Omaly no nanainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasionina miisa 7.
Araka ny vaovao miely anaty tambajotran-tserasera amin’izao fotoana izao, lasa mpilalaon’ny Anse Réunion FC any Seychelles, i Fely, lohalaharan’ ny Fosa Juniors FC. Hatramin’izao, tsy mbola misy fanambarana ofisialy navoakan’ny Fosa Jr mahakasika izany fifindran-toerana izany. Anisan’ireo mpilalao nitondra avo ny Barea Chan tamin’ity taona ity i Fely.
Tsy nanaiky ny hifindra any amin’ny klioba St Michel United Seychelles tamin’ny ora farany i Tsilavina na i Drogba, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Samy tsy nisy nahalala ny antony nandavan’ity mpilalao ity izany ny maro, indrindra ny Malagasy mpankafy baolina kitra.




