Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampidirana mpianatra ny maro amin’izao fotoana izao. Telo alina ariary eo ny vidin’ny iray paquet amin’ny kahie lehibe, 200 pejy, amin’izao fotoana izao, araka ny fanadihadiana natao tetsy Analakely, omaly.
Raha ny hita teny an-toerana, miisa dimy ny kahie hita anaty fonosana, izany hoe, 6 000 Ar ny vidin’ny iray. Jifaina 14 000 Ariary eo kosa ny fonosana amin’ireo kahie kely, izay ahitana 10 isa ny ao anatiny. Izany hoe, 1400 Ariary izany ny singany iray. Ankoatra ny taratasy fanoratana, amidy iray alina Ariary ny pensily hazo maro loko, raha toa ka valon-jato Ariary ny fividianan’ny olona ny penina iray. Amidin’ireo mpisehatra amin’ity fivarotana fitaovan’ny mpianatra ity 5 000 Ar hatramin’ny 18 000 Ar kosa ny fitaovana fanipihana.
« Afaka herinandro eo, hiditra hianatra amin’izay ny kilonga. Ho ahy manokana, telo ny zanako ary izao aho vao mividy ny fitaovana entin’izy ireo manovo fahalalana any an-tsekoly», hoy ny renim-pianakaviana iray, teny an-tsena, omaly. Marihina fa saika amin’io herinandro ho avy io avokoa ireo mpianatra eto an-dRenivohitra no hiditra.
Mitombo ny isan’ny mpivarotra, mihena ny mpanjifa …
Tsikaritra nandritra ny fanadihadiana natao fa nihena ny isan’ireo manjifa fitaovam-pianarana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpisehatra amin’izany. Maro ny olona mividy ny fitaovan’ny mpianatra saingy miparitaka any amin’ireo mpivarotra sasany izy ireo, noho ny hamaroan’ny olona lasa manao io asa io, ankehitriny. « Raha tamin’ny taona lasa, tsy dia nanana fotoana firy ihinanana sakafo izahay noho ny hamaroan’ny olona manjifa. Saingy tamin’ity taona ity, hita hoe efa miparitaka manerana an’ireo mpivarotra samihafa ety an-toerana ny olona», io ny nambaran’ny mpivarotra iray eny an-toerana. Tsy manome tsiny ny zava-misy moa izy ireo, satria efa hita taratra ankehitriny ny fahasahiranan’ny olona. « Raha ny hoe resaka olana mahakasika amin’izay aloha, tsy dia idiranay lalina loatra, hiaraha-mahalala ny zava-misy amin’izao fotoana izao, samy mitady sy mamelon-tena avokoa ny rehetra, ka tsy tokony hifanome tsiny », hoy ity mpivarotra ity.

Mbola sarotra …
Tena mbola mipetraka ho olana ny fampidirana mpianatra. Antony, tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ny fitaovana ilaina amin’izany nefa ny karama tsy misondrotra, raha ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray teny Analakely. « Ho anay ray aman-dreny, tsy azo atao ambanin-javatra ny fampidirana ny zaza satria ny hoaviny iray manontolo. Midika izany fa tsy maintsy atao lohalaharana avokoa ny fitaovana ilain’izy ireo any am-pianarana. Anisan’ny mampirisika ny zaza hianatra tsara ny fahazoany fitaovana tsara rehefa hiditra hianatra izy », hoy hatrany izy. Matetika tsy vitan’ilay karama iray volana ny mampiditra mpianatra fa mbola mindram-bola any amin’ny Banky na mitady lalam-bola hafa ankoatran’ilay karama. Ny vidin’ny hatsembohan’izy ireo, anatin’iray volana moa, efa voatsinjara avokoa. Anisan’izany ny sakafo, ny saram-pitaterana mandritra ny iray volana manaraka, ny hofan-trano, ny vidin-jiro, ny gouter an’ny ankizy. Mangataka ny fanjakana mba hijery akaiky ny resaka mahakasika io fitaovam-pianarana io izy ireo. Nohamafisiny hatrany fa tokony hisy ny fanampiana faobe ary mitovy avokoa ny fari-piainan’ny olona, amin’izao fotoana izao. Matetika moa, ity volana aogositra ity, somary mifantoka amin’ny fampidirana mpianatra avokoa ny ankamaroan’ny olona.
Nanatontosa : Fitia Randria




