Nitombo ho adiny 4 ny delestazy teto an-dRenivohitra, omaly. Nandritra ny andro maraina hatramin’ny hariva, nitety ny faritra samihafa, satria nokendrena tsy ho ao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny lalaon’ny Barea, nandeha tamin’ny fahitalavitra. Nimenomenona kosa anefa ireo mpamokatra, mpampiasa herinaratra satria potika ny fihariany.
Tonga eto amintsika ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena FMI. Nanomboka omaly 4 hatramin’ny 10 septambra ny faharetan’ny fotoana ijanonany eto Madagasikara. Fitsidihana mahazatra, ao anatin’ilay antsoina hoe « Fact Finding », hijerena ifotony ny fanatanterahana ireo fepetra ao anatin’ny fifanarahana eo amin’ny FMI sy Madagasikara ity ataony ity.
Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny tany afrikanina momba ny toetr’andro i Madagasikara. Hatao any Addis Abeba Etiopia, ny 8 hatramin’ny 10 septambra ho avy izao izany. Lohahevitra
ny hoe, «hafainganina ny vahaolana mahakasika ny toetr’andro maneran-tany sy ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro».




