Faritra Arovana : Naharesy lahatra i Madagasikara, tany Francfort

Atao any Francfort, Ale­maina, ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana. Mandray anjara amin’ izany ny delegasionina mala­gasy tarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), i Andonirina Max Fontaine. Nandritra ny fandraisany fitenenana no nanaovany adisisika ho fandresena lahatra ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpandray anjara. Navoitrany sy nomeny lanja ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirim­bolan’ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Ma­dagasikara (FPBM) sy ny KFW, izay tohanan’ny BMZ alemà. Naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny samihafa ireo mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka entina hanohanana ny fikajiana ny tontolo mananaina eto Madagasikara.
Nohazavaina ny laharam-pahamehan’i Madagasikara, izay notsindrina manokana fa tsy mionona amin’ny fiarovana fotsiny ireo biby na zavama­niry mampiavaka antsika, fa eo koa ny fiarovana ny ala,
ny rano, ny toetr’andro, indrindra ny fanohanana ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony.
Mazava ny vokatra andrasana. Nohamafisin’ny mpamatsy vola ny hanohizana ny fanohanany, hisy koa tetikasa vaovao hotohanana. Nankasi­trahin’izy ireo ny vina napetrak’i Madagasikara ary ho azo antoka ny famatsiam-bola maharitra hiarovana ny Faritra arovana. Tsapa tokoa fa mahavita mandroso soso-kevitra mahasoa i Madagasi­kara, fa tsy mionona amin’ny mpangataka famatsiam-bola fotsiny.

Njaka A.

Partager sur: