Tetikasa PLAE VI : Velarantany 1 400 ha narenina any Betsiboka

Mifantoka amin’ny ady amin’ny fikaohan’ny riaka ny asa, fanatsarana ny velon-tenan’ny tantsaha, ny fananantany, sns. Nahomby ny zava-bita any Betsiboka.

Feno 25 taona ny Teti­kasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany (PLAE VI). Tanjo­na ny hiarovana sy hanarenana ny tany. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsi­an’ny KFW alemà ara-bola. Eo koa ny fanarenana ny tany simba noho ny fikaohan’ny riaka, ny famokarana maharitra, ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary.

Ho an’ny faritra Betsiboka, nahatratra 1 400 ha ny velarantany noharenina sy narovana tany amin’ny kaominina telo (Mahatsinjo, Andriana, Antsiafabositra). Nambolena zana-kazo, ka nisy ny nataon’ ny olon-tokana ary eo koa ny an’ny kaominina. Nampi­harina ny ala vadim-boly, natao fefy velona, hazo fihinam-boa, sns. Eo koa ny fambolena vilona nohatsaraina. Tratra ny tanjona ho an’ny fandaharanasa PLAE VI sy
ho an’ny mpisitraka. San­tionany amin’ izany, rakotra fambolena ny velarantany mirefy 6 ha ho an’ny mpisitraka iray any Marotaolana. Velom-panantenana ny tenany ho an’ny hoavy, satria nahomby sady azo tsapain-tanana ny paikady maharitra ho lovain-jafy. Natao ny 16 sy ny 17 septambtra teo ny fita­terana ny zava-bita sy ny fanombanana ny hoavy. Nankatoavina ihany koa ny drafitrasa PTBA ho an’ny taona 2025-2026. Nam­pidirina ao anatin’ny tanjona ny hitsinjovana ny taom-pambolena manaraka.
Faritra enina

Faritra 6 no voakasiky ny tetikasa, Diana, Boeny, Betsi­boka, Amoron’i Mania, Iho­rom­be ary Matsiatra ambony. Asa atao ny fanarenana ny nofon-tany, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo karazany azo avadika angovo sy fahandro an-trano. Teo koa ny fanajariana ny lemaka hanatsarana ny fambolena. Nisy ny famokarana vilona ho an’ny biby fiompy, hampihenana ny doro tanety. Nohamoraina ny fiarovana ny fananantany amin’ny alalan’ny fizarana karatany, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: