Nahomby ny hetsika. Ambohipihaonan’ny mpankafy taranja basikety 3×3 ny teny amin’ny Parvis Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Nafana ny fifaninanana, nafana toraka izany ihany koa ny seho nandravaka sy ny fanentanana. Voalohany ny fikarakaran’ny RDJ ny « Allez Hoop” teny amoron’arabe sy manoloana ny Lapan’ny tanàna, izay efa fanaon’ireo firenena hafa. Marik’izany fahombiazana izany ny nahavitana namondrona mpilalao 400 isa, izay notsinjaraina ho ekipa 95, nahitana sokajy U17 lahy sy vavy, U23 lahy sy vavy, Open lahy sy vavy ary ny sokajy Old School. Traikefa lehibe no azo satria mpijery manodidina ny 2 000 no tonga nijery izany. “Tafita ny hafatra tamin’ity fifaninanana ity, nahatsapana ny fankafizan’ny Malagasy ny basikety 3×3. Fa indrindra koa nahitana ny talentan’ireo taninketsa sy hoavin’ny basikety malagasy “, hoy ny nambaran’ny Filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana. Niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana izao fifaninanana izao ny Federasionina malagasin’ny basikety sy ny Orange Madagascar.
Mi.Raz
-U17: Tompondaka vehivavy: Pintade
-Tompondaka lehilahy: MTB 1
-U23: Tompondaka vehivavy: ASSM
-Tompondaka lehilahy: Predators Open
-Tompondaka vehivavy : GNBC
– Tompondaka lehilahy: JAJJ Old Scool
-Tompondaka: BC Blindé 2
– Tompondaka lefitra: BC Blindé 1
-Concours 3pts
Vehivavy: Coach Prisca
Lehilahy: Mr Mamy




