SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipazy Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Herii Possible, nitondra ny fiara Subaru, ny andiany faha-22 amin’ny « Rallye Tour de Tana ». Fihao­nana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. 1 ora 38 mn 49, 3 s ny fe-potoana vitan’izy ireo. Faharoa i Aro Kiady sy i Elvis (Asacm), tara 2 mn 07, 3 s taoriany. Fahatelo i Tahina sy Rojo Raben, Asacm ihany.
Hilalao any amin’ny klioba Al-Merreikh, any Sou­dan, Randriamanampisoa Nicolas, mpilalao baolina kitra, vodilaharana tao amin’ny Fosa Jr. Niatrika ny “Chan 2025” farany teo izy. Mandritra ny taom-pilalaovana telo no hilalaovany any an-toerana. Marihina fa ao amin’ny D1 ity ekipa Al-Merreikh ity.
Hampitombo sy hanamafy ny fiaraha-miasa ny Federasionina malagasin’ ny basikety sy ny UJSM (Union des Journalistes Sportifs de Madagascar). Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo, teny Analakely. Tsy misy manana tombontsoa amin’ny tsy fifankazahoana hoy ny andaniny sy ny ankilany ka naravina ny olana niseho teo amin’ny roa tonta.
Mpikatroka 170 no andrasana mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kick Boxing, hotanterahina ny 27 sy septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Hifantenana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Abu Dhabi, sokajy Seniors sy Vétérans, ny volana novambra izao, ity fifaninanana nasionaly ity. Ny sokajy Cadets, Junior ary Senior no hifaninana mandritra io roa andro io.

Partager sur: