Notanterahina, afakomaly, tao New York, Etazonia, ny fifanakalozan-kevitra lehibe momba ny fanjonoana krill any amin’ ny ranomasina manodidina an’i Antarktika. Ity hetsika ity izay natao tao amin’ny Goals House, Tavern on the Green, ary nokarakarain’ny fikambanana Antarctica Avengers, nahitana mpikaroka avy amin’ny firenena samihafa sy ny mponina any amin’ny fari-dranomasina atsimo.
Mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary maneho ny fanohanany ny ady amin’ny fanjonoana ny krill i Madagasikara. Ampahafantarina ihany fa anisan’ny foto-tsakafon’ny biby an-dranomasina ny krill. Izy no sakafo voalohan’ireo trozona lehibe mandalo sy miteraka ao amin’ny ranomasimbe Indianina.
Any amin’ny faritr’i Antarktika ihany no misy azy, ka izany no mampanan-danja azy amin’ny fitohizan’ny fiainan’ireo biby maro anaty rano. Raha lany tamingana izy io dia tandindonin-doza avokoa ny trozona sy ny taranany. Araka ny fanambarana, ny fiarovana ny krill dia midika ho fiarovana ny trozona sy ny lova voajanahary izay manome laza ny firenena sy zava-dehibe ho an’ny taranaka hoavy.
Fitia Randria




