Tontolo iainana : Hankalazaina miavaka ny « Herinandron’ny VOI »

Andry iankinan’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny VOI. Manoloana ny fandikan-dalàna, havaozina ny lalàna miaro azy ireny.

Hotanterahina ny 22 ha­tramin’ny 28 septambra 2025 izao ny «Herinan­dron’ny VOI» (Vondrona Olo­na Ifotony). Manerana ny Nosy ny fankalazana, ka samy hanana ny fandaharam-potoany avy izy ireo. Loha­hevitra noraisina amin’ity andiany faharoa ity, ny hoe : «VOI, fototra sy andry iankinan’ ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary azo ha­vaozina». Nambaran-dRama­toa talen’ny Faritra arovana sy ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina sy ny rohivoahary (DAPRNE), Ratefa­son Tojotsara, fa natsangana ny VOI satria izy ireny no tena miaina eny ifotony amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Voafaritra anaty bokin’andraikitra ny asan’izy ireo, toy ny fanaovana fitsirihana sy fanaraha-maso ny fanarenana ny toerana, toy ny ala simba, ohatra, satria misy ny drafi-panajariana mazava, mamaritra ny faritra arovana. Afaka mampiasa ny zo nentim-paharazana, toy ny fakana hazo hanaovana trano, ny fakana fanafody nentim-paharazana, sns. Misitraka ihany koa ny fanohanana avy amin’ ny mpiara-miombon’antoka ny VOI, indrindra ny tolotra ara-boajanahary toy ny loharano maharitra.
Nomarihin-dRamatoa Tale (DAPRNE) fa eo am-pamolavolana izao ny lalàna vaovao mifehy ny fiarovana azy ireny manoloana ny fandikan-dalàna samihafa momba ny fanimbana sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary.

Anjaha Ambalavao

Miisa 1 576 ny VOI manerana ny Nosy, mitantana faritra arovana mitotaly 3,432 tapitrisa ha.
Anisan’ny ohatra tsara ny any amin’ny valanjavaboahary Anjaha, distrika Ambalavo, faritra Matsiatra Ambony. Tsy manana mpamatsy vola intsony ny VOI mitantana azy fa mahaleotena tanteraka amin’ ny fitantanan-draharaha amin’ ny alalan’ny vola miditra avy amin’ny fizahantany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: