Hotanterahina ny 25 septambra ho avy izao ny andro hankalazana ny Ranomasina. Ny lohahevitra entina amin’izany dia ny hoe : “Ny fanasongadinana ny anjara toeran’ny ranomasina sy ny ranomasimbe eo amin’ny toekarena manerantany”. Satria ny 80% ny varotra iraisam-pirenena dia miampita ranomasina avokoa. Mandritra ny 4 andro, hisy ny asa ataon’ny Afafi-Nord ho fanohanana ireo mpanjono. Fandaharanasa vatsian’ny Vondrona eoropeanina ao Analanjirofo.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 15 septambra lasa teo, ny Unité de traitement d’eau potable ao amin’ny fokontany Ambodisaina, distrikan’i Toamasina II. Nandritra ny lanona dia nisy ny fanomezana mari-pankasitrahana ODF (Open Defecation Free) ity fokontany ity, amin’ny lafiny fahadiovana. Natao ihany koa ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny tovovavy miisa 60 izay nianatra manokana momba ny fahaleovantena ara-toekarena.
Mbola mitohy hatrany ny hetsika fampiofanana momba ny fampiroboroboana ny asa eo amin’ny toekarena manga, amin’ny alalan’ny famokarana anaty rano, ho an’ny faritra Analamanga. Hotontosaina ny 25 septambra ho avy izao izany, eny amin’ny biraon’ ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), etsy Ampandrianomby.




