Ambodimita : Lehilahy hita faty teo amoron’arabe

Lehilahy iray namoy ny ainy amoron’arabe, teny Ambodimita, omaly maraina. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fisian’io olona io. Kotsan’ny orana ny akanjon’ilay lehilahy ary mety ho nitarika ny fahafatesany izany. Ahina ho tratra alina ilay raim-pianakaviana ary nandeha an-tongotra nanaraka ny vahilava nandritry ny alina. Nie­zaka namantatra azy ny mponina teny amin’ny manodidina sy ny mpandalo, saingy tsy nahalala ny mombamomba io lehilahy io. Niantso ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP6 ny tsara sitrapo. Naparitaky ny nanatri-maso tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ilay namoy ny ainy mba hahafahan’ny fianakaviany mamantatra azy. Efa tonga teny an-toerana io omaly io ihany ireto farany naka ny vatana mangatsiaka. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny famoizan’io raim-pianakaviana io ny ainy. Na izany aza, ilaina ny fitandreman’ny tsirairay rehefa mody alina. Manjaka rahateo ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy.

Tsiferana R.

Partager sur: