Fianarantsoa: Nahazo Tranoben’ny boky

Tsangambato hanasoavana taranaka. Izay no antony nananganana ny Tranoben’ny boky (Maison du livre) ao An­kofa, Mahasoabe, Fianarantsoa. Razafimandimby André Claude no tompon-kevitra sy tompon’ny toerana. ” Hifoha velombe­lona ny saina. Hitombo velabelatra ny fahalalana” , hoy izy. Faharesen-dahatra sy finiavana manokana hanasoa ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanohanana ny kolontsaina ny azy. Na tsy mbola tontosa hatramin’ny farany aza, efa nosokafana ity toerana ity. Misy efitrano lehibe famakiam-boky, efitrano fanaovana velakevitra, efitrano fisakafoana ary tokotany malalaka afaka hanaovana hetsika ara-javakanto ankalamanjana izany.
Vola madiodion’ny tompon-toerana no nananganana izao fotodrafitrasa ho an’ny vakiboky izao. Miantso ireo malala-tanana afaka mamatsy boky ho an’ny toerana izy. Mba hampiodina tsara izany, hisy ampahany ampanofaina ny toerana. Hipetraka ho toerana fampahafantarana ny boky sanganasan’ ireo mpanoratra, indrindra ireo any Fianarantsoa, kosa anefa izany.
Lanonambe no nentina nanokafana ny toerana. Nisy ny seho ara-javakanto nataon’ny tarika mpanao dombolo, Ran­drambalo, izay mpively amponga sy mpiangaly sodina ary ny mpanao bapampa. Teo ihany koa ny velakevitra nataon’ny Dr Nalisoa Ravalitera, filoha lefitry ny Akademia Malagasy, sy Ranoe, mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra.

Zo ny Aina

Partager sur: