Toy ny fanao isan-telovolana, nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao amin’ny Akany Fiadanantsoa Moramanga ho an’ireo mpiady tia tanindrazana ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny herinandro teo. Ireo zokiolona 65 taona no ho mihoatra ao amin’ity distrika ity no nisitraka izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary ny sampandraharaha misahana ny mpiady tia tanindrazana ary ny Bataillon médical Ampahibe. Nanatrika izany ny tale mpiahy ny mpiady tia tanindrazana, ny Jly Randrianantenaina Emilson, sy ireo tomponandraikitra ao an-toerana. Nandritra izany koa no nizarana ny taratasim-bola fisotroan-dronono ho an’ireto zokiolona ireto. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fijerena ny maha olona ho an’ireo mpiady tia tanindrazana sy ireo zokiolona izao hetsika izao. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny fiahiana manokana ireo zokiolona nanao sorona ny ainy ho an’ny Tanindrazana.
J.C




