TARATRY ny KANTO

Nanao antso avo amin’ireo mpanakanto rehetra ny sendikàn’ny mpanakanto, omaly. Manetana izy ireo ny tsy handraisan’ireo mpanakanto anjara amina fampisehoana hatao hampisara-bazana sy hampifandrafy ny samy malagasy. “Miantso ireo mpanakanto zandry tsy hanaiky hataon’ny hafa fitaovana amin’izao toe-draharaha am-pototry ny fifamonoan’ny samy Malagasy izao. Miantso ihany koa ireo tompona fanamafisam-peo sy teknisianina izy ireo mba hanaraka izay”, hoy ny fanambarana. Nanamafy ry Rossy, Dama, sns, fa tsy misy mpanakanto na iza na iza afaka miteny amin’ny anaran’ny mpanakanto rehetra izao.
Nanandratra avo ny mozika malagasy i Niu Raza. Nasaina nihira nandritra ny hetsika lehibe nokarakarain’ny Organisation internationale de la franco­phonie (OIF), tany Paris, izy, ny alin’ny alakamisy teo. Izy no Malagasy mpanakanto voalohany voaantso tamin’ izany. “Tamin’ny foko manontolo no nihirako an’ity hira ity. Mamiko loatra ny maha gasy ahy, reharehako hatramin’izay ka hatramin’izao, na inona na inona mitranga eo amin’ny fireneko.Samia mandray ny andraikiny aby ho an’i Madagasikara”, hoy ny hafatr’i Niu Raza.
Hiaraka hifampizara sehatra any Allemagne i Rija Ramanantoanina, Lalatiana ary ny tarika Johary. Hotontosaina anio, any Sttutgart izany, izay natao ho fihaonan’ireo Malagasy rehetra monina any, ho fanehoana ny firaisankina noho ny toe-draharaha aty Mada­gasikara. Natao hifampizarana, hifanohanana, hifanakalozana ary hanehoan-kevitra io fiarahana io. Ankoa­tra ny fampisehoana, fitadiavana izay mety ho vahaolana ho an’ny krizy misy eto Madagasikara koa io fihaonamben’ny Malagasy any Allemagne io.

Partager sur: