Na tsy maro tahaka ny mpanakanto eo amin’ny tontolon’ny hira aza ny mpanao sary hosodoko eto Madagasikara. Mahasarika ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora any am-pianarana ny mianatra azy ity. Tsy vitsy rahateo ireo sekoly mampiditra ny taranja hosodoko hoenti-mampitombo ny fanabeazana maha olona ao aminy.
… Hatramin’izao, anefa, mbola tsy manan-danja manoloana ny tontolon’ny zavakanto sy ny fiarahamonina malagasy ny sary hosodoko. Andaniny, tsy mbola mahavelona ireo izay manao azy. Ankilany, mbola tena vitsy ny tokantrano malagasy manana hosodoko iray ao aminy, raha dimy izany ho an-dry zareo Anglisy. Fito ho an’ny Amerikanina.
… Iray amin’ireo zavakanto miadam-pamindra ny sary hosodoko ho an’i Madagasikara. Lesoka ny tsy fahampian’ny sekoly voatokana hampianarana azy. Eo koa ny fahalafosan’ireo akora sy fitaovana hoenti-manatontosa hosodoko, izay miteraka fiakaram-bidin’ny tabilao vita. Ny fahefa-mividy ananan’ny Malagasy, anefa, ambany.
… Anisan’ny mampiavaka ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy ny fananana aingam-panahy haneho ny tontolo voajanahary, indrindra fa ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Manasongadina ny tranogasy, tambohogasy, eto Imerina. Eo koa ireo toerana manan-tantara, sy tontolo iainana voajanahary, sns. Fantatra fa anisan’ny mahasarika vahiny fatratra ireo endrika ireo.
HaRy Razafindrakoto




