Savorovoro : Tsy latsaka anaty ny soatoavina

Mandia lalan-tsarotra ny firenena. Matetika, ny tontolo politika na sosialy hatrany no voakitika sy voatondro fa ipoiran’ny olana. Tsy tokony hijanona eo anefa. Hadino sy tsy voaresaka mihitsy aza ny soatoavina. Raha niaina ny soatoavina Malagasy ny rehetra, tsy hiaina savorovoro sy korontana tahaka izao ny firenena.
«Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha». «Ny fanahy no maha olona», sns. Firy amin’ny Malagasy 32 000 000 tapitrisa no niaina ireo ampahana soatoavina ireo ? Ilay Zanahary lazaina eto aza, angamba, maro ny Malagasy no tsy mahalala azy intsony. Na, mety manafangaro Azy amin-javatra hafa. Tahaka izany ihany koa ny fanahy.
Ilaina ny mampahafantatra ny soatoavina malagasy, ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Zarina tsikelikely hiaina ao anatiny izy ireo, avy eo. Tsy ho tanteraka, anefa, ireo raha mbola omen’ny fiarahamonina vahana ireo soatoavina indramina. Noho izany, mila raiamandreny mahafantatra sy mahay momba ny soatoavina malagasy ny fiarahamonina mba hampianatra sy hanoro azy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: