Tsena andavanandro : Mitaraina amin’ny fitadiavam-bola ireo mpivarotra

Samy sahirana avo­koa izao ny olona. Mananosarotra ireo mpivarotra eny an-tsena izao ny zava-misy ankehitriny izao. Marihina fa tsy niseho tarehy izy ireo mba ho fi­sorahana ny loza mety hitranga amin’ ny fanararaotana ny raharaham-pirenena tahaka izao.

Mandalo fahasahiranana tanteraka ny resaka varotra eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tetsy Analakely, betsaka amin’izy ireo no tsy mahita tombony maherin’ny 10 000 Ariary intsony ankehitriny, noho ity fiainanana hita fa tena mikatso ity. Samy manana ny heviny anefa ireo olona eny an-toerana, misy amin’ireo mpivarotra no milaza fa manomboka sarotra ny miditra ao Analakely, rehefa andavanandro noho ny fisian’ilay grevy ao an-toerana. «Tsy misy olona mandalo intsony eto Analakely. Zara raha misy ny olona mandalo sy hita ety amin’ny tsena. Sakanan’ireo mpitandro filaminana tsy handeha aty Analakely moa ny olona ka izay no maha sarotra an’ilay zava-misy amin’izao fotoana izao», hoy ny mpivarotra kiraro iray teny Anala­kely. Nohamafisin’ity mpisehatra amin’ny fivarotana kiraro etsy Analakely ity ihany fa sarotra dia sarotra vao mahalafo kiraro iray amin’izao. «Manahirana ny mpividy mihitsy ilay maheno ny vidin’ny kiraro, vao manombana ianao amin’izao, fa tsy main­tsy 2000 Ariary eo no tombony mba alainao ankehitriny», tenin’ity mpivarotra kiraro iray ity, etsy Analakely ihany. Nihena ihany koa ny vola miditra ho an’ireo mpitady vola amin’ny fampisotroana kafe. Raha tsiahivina, eo amin’ny 15 000 Ariary eo tombony izy ireny isan’andro ary nilatsaka ho 5000 Ariary izany amin’izao. «Tsy dia misy mividy ilay kafe amin’izao fa ireo mpivarotra manodidina sy olona mba sendra mandalo no manjifa izany. Somary nahena ihany koa ny entana amidy ety, noho ny tsy fisian’ny olona mandalo loatra», nambaran’ilay rangahy iray mpivarotra kafe.
Miantso fitoniana
Mangataka fitoniana sy fifampiresahana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny akamaroan’ireo mpivarotra ireo. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, hatramin’ny 11 ora ihany ry zareo no afaka mivarotra eny an-toerana, nefa sahirana ihany izy ireo amin’ny famelomana ny ankohonana. « Mba mangataka sy miangavy ihany izahay hoe mba hataovy re izay marimaritra hiraisana sy fitadiavana vahaolana amin’ity zava-misy ity». Hafatra avy amin-dry zareo. Na izany aza, mampalahelo ny mahita ny mpianatra iharan’ny herisetra, tahaka ireny. « Manan-janaka sy reny ary saika ray aman-dreny avokoa ny ankamaroanay mpivarotra. Mampalahelo mihitsy mahita ireo tanora sy mpianatra tratran’ny herisetra tahaka ireny. Mangataka izahay, mba hampitsaharana ny zavatra tahaka ireny fa na ireo olona tsy manan-tsiny aza, dia tratran’ny fahavoazana, amin’ izao grevy misy izao», tenin’ ilay ramatoa, miezaka mamelona ny ankohonany amin’ny fivarotana fitaovam-pianarana. Tsara ny mampatsiahy fa na­nomboka 25 septambra teo, sahirana tanteraka ny mpivarotra eto an-drenivohitra.

Nilamina tsara ny omaly

Tsy dia nahitana olana, sy fahasahiranana loatra ny teny an-tsena an’Anakakely, omaly. Nanararoatra nitady vola mihitsy izy ireo, ary ny andro alahady tahaka izao, lasa hoe fotoana hahafahana mitady vola ho an’ny mpivarotra sasany eny an-toerana. «Tsy maintsy mivarotra aloha androany, somary mbola mafy ny herinandro ho avy io. Rehefa alahady tahaka izao, hita hoe maro ihany ireo olona mivoaka man­deha miantsena eto an-drenivohitra», nolazain’ilay tovolahy iray, misehatra amin’ny bakiraro. Nomarihan’ity zatovo ity ihany, fa tsy dia nanafatra entana betsaka izy aloha tamin’ity alahady ity, mba tsy hisian’ny fatiantoka haterak’izao grevy misy izao. «Rehefa manomboka mafana ny toe-draharaha ety an-tsena, ahoronay ny entana, ary ny lalana mody ihany no jerena, sarotra ho anay, ny hiditra lalina amin’ny zava-misy», famaranan-teny nataon’ity lehilahy ity ihany.

Nanantontosa : F.R

Partager sur: