“Tokony hisokatra amin’ny rehetra ny governemanta. Heverina fa rariny izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar tao Ambatofinandrahana, Razafindrabary Narson Seth Jean Richard, ny amin’ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Misy fanehoan-kevitra maro mila henoina izay antony mahatonga ny olona manao fitakiana. Maro ny manao fitakiana fa tsy hoe ny mpanohitra… Heverina fa manan-jo avokoa ny tsirairay hanolotra olona hiditra ao amin’ny governemanta. Hatao ny fisokafan’ny governemanta, tsy hoe ho an’ny mpanohitra fa ho an’ny hery velona manao fitakiana, araka ny nambarany.
Misy ny fitakiana ataon’ireo tanora. Zo fototra ny jiro sy rano. Ny zava-tsy mety, misy manararaotra ny tolona, mitondra izany any amin’ny fanonganam-panjakana. Tany demokratika i Madagasikara. Rehefa amin’ny lafiny inona ny sasany no miteny demokrasia? Marina fa fanehoan-kevitra ny demokrasia. Fa mametraka koa ny demokrasia fa ny olona voafidy amin’ny fomba demokratika dia tokony ho fifidianana demokratika koa no handimby azy. Sarotiny amin’ny fiarovana an’izay fiarovana ny lalàmpanorenana ry zareo. Izay no nahavoafidy ny filohan’ny Repoblika izay safidim-bahoaka.
R. Nd.




